Vous êtes ici :

Vendredi 22 Novembre 2024

ombre

Fanafihana an’i Bilomalaza – Dahalo 5 voasambora, 3 hafa maty

Raha ny tarehimarika farany dia dahalo 5 tamin’ireo nanafika ny fiara Bilomaza tany Betroka no efa voasambotry ny mpitandro filaminana. Jiolahy miisa 3 hafa, iray tarika amin’ireo ihany koa no efa maty voatifitra. Mitohy ny famotorana sy fanenjehana ary efa nampanantena ny tompon’andriakitra fa tsy hijanona ny hetsika raha tsy rava tanteraka ity andian-dahalo nahafaty olona miisa 32 ity. Efa nibaradaka rahateo ireo voasambotra ary nanoro ireo mpiray tsikombakomba saingy eo amin’ny fisamborana no mbola mahataraiky satria nilefa any anaty ala ny ankamaroan’ireo olon-dratsy. Raha ny vaovao azo avy any an-toerana dia somary nilamindamina any Betroka sy ny manodidina taorian’ny fetin’ny 26 jona satria marobe ireo mpitandro filaminana nalefa any an-toerana. Matahotra ihany ireo dahalo rehefa sendra ny mahery noho izy ary resa-be sy tsy mandaitra akory ny moara sy ody basy isehosehoan’izy ireo.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre