Ambohidratrimo – Misy misoloky ho mpiandry fonja
Ny anaran’ny mpiandry fonja indray izao no ataon’ny olona fitaovana hisolokiana ny hafa. Tamin’iny herinandro lasa iny dia lehilahy iray nitonona ho mpiandry fonja no nandeha namitaka olona sy nitaky vola teny Ambohidratrimo. Efa nofantariny mialoha ilay hosolokiana ary nanaovany fanadihadiana mihitsy mikasika ny fianakaviany. Notsatohany avy hatrany fa manana rahalahy any Toamasina ilay lasibatra saingy voarohirohy tamin’ny raharaha maloto ilay io ka nadoboka am-ponja any Antanimora ary tsy nampahalalana ny fianakaviany izany. Narary tao am-ponja anefa ilay lehilahy ary ahiana ny ainy hoy ilay mpisoloky. Noho izany dia tsy maintsy naniraka mpiasan’ny fonja hitady ny fianakaviany izy hiantoka ny fikarakarana azy sao tara loatra ka any ankoatra indray vao mety hifankahita. Nikoropaka ilay rahalahy monina eny Ambohidratrimo ka nitady vola maika hanavotana ny ain’ilay iray kibo nifonosana taminy. Nomena vola iray alina ariary aloha ilay nitonona ho mpiandry fonja ary lasa nandeha. Nandritra izany dia nitady vola hafa sy nindrana skotera ilay lasibatra mba hahafahana miakatra haingana eto an-drenivohitra ka hitsidihana ny rahalahiny ao Antanimora. Tsy niverina intsony anefa ilay nisandoka ho mpiandry fonja ary teo vao tonga saina ny rehetra fa mety mpisoloky ilay izy. Efa nampandrenesina ny zandary ary efa manao ny fanadihadiana rehetra amin’izao fotoana izao.
Dom