Fitsinjaram-pangalarana !
Na milaza ny hanao ho laharam-pahamehana ny fametrahana ny tany tan-dalàna sy ny fametrahana ny fanajana ny lalàna aza ny mpitondra Fanjakana dia tena mitranga be ny asan-jiolahy sy ny halatra amin’ny endriny rehetra eto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ity Repoblika fahefatra ity. Na milaza ny nahitany ny ezaka sy vokatra nataon’ny mpitondra fanjakana malagasy aza ny tahirim-bola iraisam-pirenena dia tsy azo ambara velively ho firenena milamina sy tsy misy halatra eto Madagasikara. Porofon’izany dia saika amin’ny sehatra rehetra miainga eny ifotony hatrany amin’ny fara-tampony dia ahitana halatra avokoa. Minisitera mihitsy no mamoaka vaovao matetika mikasika ny kitranoantrano amin’ny fanomezana tolobidin-tsenam-panjakana. Vola amina miliara maro tokony hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana no very amin’izany nefa tsy hita izay olona voasazy. Halatra ny filaza izany satria vola tokony ho an’ny Fanjakana lasa miodina amin’ny zavatra hafa. Tsy io ihany fa hita amin’ny sehatra rehetra ny fangalaram-bolam-panjakana ary miteraka ahiahy izany rehefa tsy misy ny mangarahara. Hatramin’izao dia mbola miandry ny fampahafantarana amin’ny antsipiriany ny totalim-bola sy ny fomba nampiasana izany tamin’ny fetim-pirenena ny vahoaka. Tsy misy mihitsy io tatitra io nefa volam-bahoaka no nolaniana ary manan-jo hahafantatra ny mahakasika izany anefa ny olom-pirenena. Mbola toy izany ihany koa ny fiantsoana fotoam-pivoriana tsy ara-potoana eny amin’ny Parlemanta roa tonta. Ohatrinona ny vola holaniana dia inona avy no hampiasana ireny ? Mila ampahafantarina izany satria misy foana ny tia kely sy zatra mitsentsitra ny gotin-katsembohan’ny vahoaka madinika.
Tena efa lasa kolotsaina mihitsy io mangalatra io ary hatramin’ny ankizy mpanao fanatanjahan-tena aza dia efa zarina hangalatra sahady. Anisan’ny malaza ratsy amin’ny hala-taona ny malagasy rehefa misy fifaninana andraisan’ny ankizy amin’ny sokajin-taona vofaritra anjara. Na eto an-toerana na any ivelany dia misy hatrany ny mpangala-taona. Tsy maharesy akory anefa fa afa-baraka fosiny rehefa tratra avy eo.
Baranahiny ve ny fampiharana ny lalàna sa efa fahazaran-dratsy mihitsy satria hatramin’ny olona no misy mangalatra amin’izao fotoana izao. Na maty na velona, eny fa hatramin’ny taolam-balo efa maina any am-pasana aza mbola misy sahy mangalatra sy mivarotra ambongadiny. Tato ho ato dia marobe ny zaza very sy olona tsy hita ary tena mampikorontana ny sain’ny fiarahamonina izany tranga izany. Ankoatra ireo fakana ankeriny mba hatao takalon’aina hitakiana volabe mantsy dia mahoraka ihany koa ny halatra taova izay tena tsy mbola nahitana porofo ofisialy avy amin’ny tompon’andraikitra. Ny azo antoka fotsiny dia tena misy mpangalatra olona eto Madagasikara saingy tsy fantatra mazava na amidy atao andevo izy ireny na aondrana any ivelany na hatao fakana taova fotsiny. Mila mitondra fanazavana sy porofo mahakasika izany ny tompon’andraiki-panjakana sy ny mpitandro filamianana mba hisoroahana ny voka-dratsin’ny honohono.
Tena tototry ny halatra ny firenena ary toy ny efa manana Governemanta manokana mihitsy mandrindra ny asa ratsiny ireo jiolahy. Tato ho ato izao dia re fa miisa 8 hatrany ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana an-tanan-dehibe ary manodidina ny 25 sy 30 eo kosa ireo dahalo manafika tanàna any ambanivohitra. Mitovitovy avokoa ny fomba fanafihan’izy ireo sy ny zavatra angalariny amin’izany rehetra izany. Miraviravy tanana ny vahoaka manoloana ny zava-misy satria andaniny ny fahantrana mitambesatra, ankilany ny tsy fandriam-pahalemana mandrava fananana sy mamono.
Mila jeren’ny mpitondra Fanjakana alkaiky ity firongatry ny halatra amin’ny endriny maro ity satria io no fositra tsy mety mampandroso ny firenena. Vola tokony hampiasaina hampiroboroboana amin’ny toekarena sy ny sosialy lasan’ny mpangalatra fotsiny ! Izao indray izao dia mirongatra ihany koa ny halatra sokatra any anaty ala !
Ravalo tsy Manana