Vavantenina – Nodoran’ny mpanao kafe ny tanàna
Trano miisa 28 no indray no ravan’ny afo tao an-tampon-tanànan’i Vavantenina. Raha ny vaovao ofisialy dia olona nanendy kafe nahafehy ny afo kitay nataony no nahatonga ny loza. Tsy vitan’ny hoe niredaka fotsiny mantsy ny tranony fa mbola nihitatra tamin’ny tafo hafa iray tanàna ny afo. Vokany dia mahatratra hatramin’ny 20 tapitrisa ariary mahery ny fatiantoka satria nisy lelavola mitentiona 2 tapitrisa ariary mahery, fanaka sy kojakojan-tokan-trano maro, vary sy kafe amin’ny gony levona tamin’ity loza ity. Kivy ny mponina manoloana ny zava-mitranga ary manao antso avo amin’ny malala-tanana sy ny fitondram-panjakana mba hanome izay fanampiana maika ilain’izy ireo.
Efa tena loza mateti-pitranga mihitsy ity resaka haintrano ity rehefa fotoanan’ny maintany toy izao. Ny sasany no tsy mahay mitandrina dia ny iray tanàna hatrany no misahana ny vokany. Mila ametrahana lalàna faran’izay hentitra hanafaizana ny rangory fototry ny afo satria matetika izy ireny dia afa-maina sy mialokaloka ao anatin’ireo tra-boina fotsiny. Iaraha-mahalala mantsy fa manara-penitra ny firafitry ny tanàna rehetra eto Madagasikara ka ny fifehezan-tena amin’ny fitandemana ny tsy hiparitahan’ny afo ihany no vahaolana mahoby hisoroahana ny haintrano.
Dom