Beroroha – Afokasoka no anamboaran’ny dahalo bala
Lasa fanamboarana bala sisa ny afokasoka amin’izao fotoana izao. Fantatra izany nandritra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana fa vanja nalaina tamin’ny afokasoka no ampiasain’ny olon-dr atsy hanamboarana bala hampiasaina amin’ny fanafihan-dahalo. Tany Betroka dia saron’ny zandary niaraka tamin’ny afokasoka marobe ireo ahiana ho nanafika ilay fiara fitaterana ka hnahafatesana olona mahaerin’ny 30 taloha kelin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Fitaovana fanamboarana bala toy ny vatoaratra efa nesorina ny tsinainy sy karazan-javatra hafa ihany koa no hita tao. Ireny fomba fanamboaran’ny ankizilahy kely tsipoapoaka amin’ny « bougie » amin’ny fiara ireny ihany no alain’ny dahalo tahaka. Izany hoe kikisana ny vanjan’afokasoka dia angonina ary araraka ao anatin’ny tranom-bala.
Raha ny fanazavan’ny mponina any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy dia efa asa fivelomana mihitsy ny fanamboarana bala vita malagasy ary amidy eny an-tsena izy ireny. Mitentina arivo Ariary ny vidin’ny bala iray ka ankoatra ny dahalo dia ny mpiandry omby no tena mpanjifa. Marihina mantsy fa vao 13 taona monja ny tovolahikely any Toliara sy ny manodidina dia ividianana basim-borona entiny hiandry omby sy hiarovany ny tanàna sy ny fianakaviany. Malalaka toy ny any Amerika ny fivezivezen’ny basy sy ny fitondrana fitaovam-piadiana any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy ary tsy dia sarotiny izany ny mpitandro filaminana. Ho an’izay mpandeha matetika any Betroka, Berenty, Tsihombey, sy Betioky iny dia mahita fa mirongo basy avokoa ny mpiandry omby rehetra, izay entin’izy ireo hiarovan-tena amin’ny dahalo. Amin’ny maha kolotsaina ny halatr’omby anefa dia ireny mpiandry omby ireny ihany no lasa dahalo avy eo.
Dom