Raikitra indray ny sakoroka !
Tsy mety milamina mihitsy eto Madagasikara eto fa vao mba mitonitony kely ny raharaham-pirenena dia misy mandrehitra afo hatrany. Tena niaraha-nahita mantsy talohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena tamin’ny 26 jona lasa teo fa efa mba nitonitony ny hafanana politika teto amintsika. Ny mpitondra Fanjakana nanao izay ho afany nampiseho tamin’ny vahoaka fa nahavita vokatra. Tena nisy mihitsy ny zava-bita azo notsapain-tanana sy hita maso ka nampitsiry fanantenana kely teny amin’ny vahoaka izay nihevitra fa hisesisesy ny fahombiazana manomboka eo. Ny mpanohitra sy ny sendikalista ihany koa dia tena nampiseho fahendrena ary nampanginy ny hambom-pon’izy ireo mba hisian’ny filaminana eto Madagasikara. Niara nijanona tao anatin’ny fotoana iray avokoa mantsy ny grevy rehetra sy fitakiana tetsy sy teroa.
Toa nosembanin-drahona anefa izany rehetra izany noho ilay grenady nipoaka sy nahafatesana olona teny Mahamasina. Lasa fifanilihana andraikitra sy fifanendrikendrehana sisa iny asa fampihorohoroana iny satria tsy hita izay vokatry ny fanadihadiana herinandro maromaro aty aoriana. Lasa fifanalam-baraka ho an’ireo izay voaendrikendrika sy voarohirohy ihany koa ka nanaovana fanadihadiana. Mihisatra rahateo ny famotorana sy ny fikarohana ka manjary lasa namelona indray ny tsy fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra. Ireo manam-pahefana rahateo toa tsy mahay miaina raha tsy misy korontana ka mitady ny fomba rehetra hisian’ny disadisa eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Milaza ho mila fitoniana ny asa fampandrosoana nefa ny mpitondra Fanjakana sasany ihany no manao izay hisian’ny savorovoro eto amin’ny firenena. Porofo iray amin’izany ilay lalàna mifehy ny fifandraisana. Ny Governemanta no nanova ilay izy hoy ny tompon’andraiki-panjakana sasany. Ny Loholona sy ny solombavam-bahoaka ihany koa dia nihinana am-bolony fotsiny ka nanao izay fomba rehetra handaniana ilay lalàna. Iaraha-mahita anefa fa tsy eken’ny vahoaka malagasy sy izao tontolo izao mihitsy iny lalàna manitsakitsaka ny zon’olombelona sy ny demokrasia iny. Efa nilaza ny Eoropeanina sy ny amerikanina fa tsy hanaiky iny lalàna iny velively. Ny fitondrana anefa tsy afa-mamindra fa tsy maintsy mitalaho amin’ny amerikanina sy ny eoropeanina vao mahazo vola hanatanterahana ny asa fampandrosoana. Mazava hoazy fa ho tapaka avokoa ny famatsiam-bola sy ny tetikasa goavana rehetra ato ho ato raha tsy foanana io lalàn’ny fifandraisana izay ikendrena manokana hanakombonana ny vavan’ny malagasy tsy hiteny io. Ankoatra ny sehatra iraisam-pirenena, manmpiaka-peo ny vahoaka rehetra ary manomboka mitaky ny fanehoan-kevitra an-dalam-be. Zava-doza izany raha tanteraka satria tsy maintsy hiteraka krizy politika sy firodanan’izao fitondram-panjakana mijoro izao. Miantehitra amin’ny hery famoretana sisa ny mpitondra hanakanana ny vahoaka tsy hiteny nefa tsy azo hadinoina fa ara-tantara dia samy nahay nampiasa ny mpitandro filaminana avokoa izay nitondra teo nefa nirodana ihany.
Tena mila kisa sy mitady korontana lalandava ny mpitondra ary izy ireo hatrany no mamorona zavatra hankahalan’ny vahoaka azy. Raha tsy nanova antsokosoko ny andininy faha-20 tao amin’ilay lalànan’ny fifandraisana raha nihaino ny tenin’ny mpanao gazety ny amin’ny tsy tokony handaniana izany ny mpitondra sy parlemantera dia tsy ho tonga amin’izao savorovoro izao ny firenena ary nilamina ny toe-draharaha politika. Izao anefa dia hitady ny fomba rehetra hamonoana afo indray ny mpitondra satria sarotra izany miady amin’ny mpanao gazety izany. Tsy haino amanjerim-panjakana na hisolelaka sy hipasoka ary hanompo ny mpitondra Fanjakana aza dia tsy misy fiantraikany kely akory amin’ny hevi-bahoaka. Ankoatra ny fanosihosena ny demokrasia dia io fa tsy voafehin’ny fitondrana ny sosialim-bahoaka ary misondrotra avokoa ny vidim-piainana rehetra. Niakatra be ny faktioran’ny Jirama, niakatra ny saran-dalana, niakatra ny vidin-tsakafo rehetra ary tonga amin’ny faratampony ny tsy fandriam-pahalemana. Manambara ireo rehetra ireo fa latsaka an-katerena ny firenena ary ho mora amin’ny mpanongam-panjakana ny hitarika ny vahoaka hikomy ka hiteraka fipoahana ara-tsosialy goavana. Mila mitady vahaolana haingana ny mpitondra hisorohana izany.
Ravalo tsy Manana