Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Tratra nampirafy – Saika matin’ny vadiny ilay ramatoa

Soa fa nisy nahita fa raha tsy izany dia mety ho ratsy ny fiafaran’ny adin’ny mpivady teny Antaninandro ny takarivan’ny sabotsy lasa teo. Teo am-pidarohana an-dramatoa teo amoron-dalana mihitsy mantsy rangahy vadiny no nisy nahatsikaritra ka nanakana avy hatrany. Sady nentin-katezerena ilay lehilahy no nitantara fa tratrany ambodiomby niaraka tamin’ny lehilahy hafa ilay vadiny. Tsy sahy nandà ity farany saingy kosa nitantara tamin’ireo niaro azy fa efa te hisaraka amin’ilay tena vadiny. Niantsoan’ny olona polisy ilay mpamono vady ka nitari-dositra naka ny moto-ny dia lasa nitsoaka no sady mbola nanao rahom-bava fa mbola hiverina. Ts hita intsony anefa izy ny alin’iny satria karazan’ny natahotra ny hosamborin’ny polisy. Marihina fa ireny sokajin’olona tsy dia manan-katao sy tsy nahita fianarana ireny ireto niady ireto. Mahagaga tokoa fa rehefa tsy ampy fanabeazana ny olona dia ny fifampirafesana sy fampiasan-kery no hevitra hitan’izy ireo hamahana ny olana ara-pitiavana eo amin’ny fanambadiana.

Dom

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre