Maevatanàna – Maty voakapa antsy ilay mpangalatra akoho
Matin’ny tompon-tanàna ny iray tamin’ireo mpanafika azy ireo tany amin’ny tanànan’Ambinanikely kaominina Mangabe-Maevatanàna. Maromaro ireo mpanafika ary nitondra fitaovam-piadiana toy ny antsy lava sy zava-maranitra hafa. Tanànan’olona mpiompy no notafihan’izy ireo ary nikasa ny hitondra akoho amam-borona. Tsy nanaiky lembenana anefa ilay mpiompy sy ny mpiara-monina aminy fa niaro tena ka raikitra ny fifandonana. Lavo tamin’izany ny mpanafika iray izay fantatra fa zanak’olona eny amin’ny manodidina eny ihany. Vao 19 taona monja ity jiolahy ity izao lavo voakapan’ny antsy izao. Vaky nandositra kosa ireo efa-dahy namany vantany vao nahita fa tsy azo natao na inona na inona ireo notafihana fa nahay niady sy niaro tena. Efa tonga tany an-toerana ny zandary sy ny mpitsabo, nijery ny zava-nisy ary naka sy nanolotra ny razana amin’ny fianakaviany. Nesorina teo an-toerana ary nakarina any amin’ny kaominina kosa ireo voatafika mba hisorohana ny mety ho valifaty ataon’ny fianakavian’ilay jiolahy namoy ny ainy. Mitebiteby ny mponina satria rehefa tsy mahavita miaro tena dia maty vonoin’ny jiolahy. Rehefa mba manao vy very ny ainy manohatra ireo olon-dratsy kosa dia matahotra ny mety ho ho valifaty ataon’ny havan’ireto farany.
Dom