Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Fivorian’ny parlemantera miteny frantsay Nampitohana ny fifamoivoizana ireo fiaran’ny « sécurité »

Be loatra ary tena nanjakazaka sy nanambany ny malagasy ireo fiara nitatitra ny mpivory tamin’ilay fihaonamben’ny parlemantera miteny frantsay (Apf) izay natao teto amintsika tamin’iny faramparan’ny herinandro lasa iny. Niteraka fitohanana tao anatin’ny ora maro ny fandalovan’ireo fiara hitaterana ny vahiny ireo. Matetika aza dia fiara tsy mitondra na iza na iza akory no manao tohy vakana lavabe manelingelina ny fifamoivoizana. Najanon’ny mpandrindra ny fifamoivoizana hiandry mandritra ny fotoana maharitra ny malagasy satria handalo ny « vazaha » sy ny manam-pahefana.   Nampitombo indray ny fahasorenan’ny vahoaka sy ny mpampiasa lalana ity fivoriamben’ny Apf  ity satria sady tsy hitondra vokatra ho an’ny firenena no sady toa mandatsa ny madinika.

Maro ny mponina eto an-drenivohitra no nametra-panotaniana hoe : tsy menatra ve ireo solombavambahoaka sy loholona malagasy niatrika ny parlemantera vahiny raha ny fanapahan-kevitra mampisitri-belona vao noraisin’izy ireo tamin’ny fandaniana ilay lalànan’ny serasera sy ny fifandraisana ? Ny hany fantatra dia vao mainka nampitombo isa ireo tsy mankasitraka ny handraisan’Antananarivo ilay fihaonana an-tampon’ny frankofonia ity fivorian’ny Apf ity. Ny vahoaka efa sahirana vao mainka hampisehoan’ny fitondram-panjakana ny hareny sy ny fanaparam-pahefany amin’ny fampiderana fiara raitra am-polony maro izay tsy maintsy omen-dalana manokana vao mandalo eny amin’ny arabe. Ny vokatra mba omen’ireo parlemanta anefa dia miteraka fahadisoam-panantenana eny anivon’ny vahoaka.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre