Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Ambatobe – Potika ny daroka ilay mpangalatra moto

Rapa tanteraka ary zara raha nisy namantarana azy sisa ny tovolahy iray voalaza fa tratra ambodiomby teo am-pangalarana moto teny Ambatobe. Nosamborin’ny olona izy ary tratran’ny fitsaram-bahoaka ara-bakiteny. Nivonto avokoa ny tarehiny manontolo, ny maso ilany aza saika nipotsaka ary ny molotra sy ny orona nivindina be noho ny totohondry nahazo azy. Nilaza fa avy eny Ankazomanga io mpangalatra moto io izao nanafika hatreny Ambatobe izao. Tsy misy hamantarana azy ho jiolahy mihitsy satria talohan’ny nahatrarana azy dia mba miendrika zanak’olona manana ny maha izy azy ihany ilay mpangalatra. Madio sy tsara fitafiana toy ireny tanora mpianatra eny amin’ny lisea na oniversite ireny mihitsy ny fijery azy. Tsy misy tandroka ny ratsy ary matetika dia ireo zanaky ny manan-katao no tena mivaro-lavo amin’ny ditra sy ny halatra hoy ny filazan’ny mponina teny amin’ny manodidina. Raha teny amin’ny fokontany hafa mafampana io jiolahy io efa matin’ny fitsaram-bahoaka hoy ireo nanatri-maso.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre