Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Betroka – Lehiben’ny zandary matin’ny dahalo

Maty notifirin’ny dahalo ny lehiben’ny zandary iray any Betroka ny sabotsy alina lasa teo. « Chef de poste » ao Behisatra izy io ary avy namonjy fivorian’ny Omc tany Betroka mba handaminana ny fandriam-pahalemana any an-toerana. Rehefa hamonjy fodiana tamin’ny 7 ora hariva tany ho any izy sy ny namany no nandrasan’ny dahalo teny an-dalana ka avy hatrany dia norarafan’ireo olon-dratsy tamin’ny tifitra. Maty tsy tra-drano ilay lehiben’ny zandary fa ny namany niaraka taminy kosa tsy naninona. Nitondra entana ireto mpitandro filaminana ireto saingy tsy norobain’ireo dahalo akory. Tsy nalain’ireo mpanafika ihany koa ny basin’ireo zandary na efa lavo tamin’ny tany sy tsy afa-namaly intsony aza izy.  Raha io tranga io no jerena dia miendrika valifaty sy fihantsiana amin’ny mpitandro filaminana mihitsy ity fanafihana ity.

Tsiahivina anefa fa taorian’ilay fanafihana mahery vaika nahafatesana olona miisa 34 tany Betroka talohakelin’ny fankalazana ny fetim-pirenena dia efa mba nilamindamina tany an-toerana. Marobe mantsy ny mpitandro filaminana nalefa any hanao ny fampandrian-tany. Efa mahatratra 9 any ho any no voasambotra tamin’ireo dahalo nanafika ilay fiara fitaterana nahafatesana olona 30 mahery ary 5 tamin’ireo olon-dratsy no efa maty voatifitra. Mbola misy namany 20 mahery anefa miriaria any anaty akata any ka ahiana ho ireo no nanao izao valifaty tamin’ny zandary izao. Miandry hetsika goavana hanafoanana tanteraka ny asan-dahalo any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy ny mponina ary maro ireo miantso ny mpitandro filaminana tsy hitsitsy fa handripaka avy hatrany ireo olon-dratsy. Mbola olana ho an’ny miaramila sy polisy ary zandary mantsy ny fisian’ireo olobe avy any an-toerana manao fanelanelanana ary miakatra hatraty Antananarivo mihitsy mitady ny fomba rehetra tsy hamonoana izay dahalo tratra.

 

Dom

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre