Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Mikorosy fahana ny fampianarana !

Tao anatin’ny roa taona nisesy dia nihena hatrany ny taham-pahafahana fanadinana Cepe. Tsy nahatratra ny antsasa-manilan’ny mpiadina akory no afaka  raha ho an’ireo sekolim-panjakana. Raha ampitahaina amin’ny zava-nisy tany aloha dia hita ho nihena ny fahaizan’ny mpianatra. Tsy ny ankizy akory no nihadondrona fa ny

rafi-pampianarana no niharatsy. Be fihetsiketsehana tsy amin’antony ny fitondram-panjakana nefa tsy misy vokatra. Mety hisy hilaza hoe ny fomba fiasa vaovao no nahatonga ny vokatra hihena nefa tsy azo raisina izany fanazavana izany. Tsotra ny antony : ny sekoly tsy miankina amin’ny Fanjakana dia hita fa tsy niova ny vokatra. Efa amam-polo taonany ny eny amin’ny tsy miankina no mahita vokatra zato isan-jato hatrany amin’ny fanadinana Cepe ary mbola mitohy hatramin’izao izany. Ny sekolim-panjakana kosa dia hita fa efa nisy fotoana nananika ny 70 sy 80 isan-jato ny vokatra kinanjo io fa nitsotsorika be indray.

Misy marary ao amin’ny Fanabeazam-pirenena ao ary mila sitranina haingana satria ny vahoaka madinika sy ny ankizy tsy manan-tsiny no mibaby ny vokany. Voatery hamerina herin-taona indray izany ireo zanaka mafiady sy tambanivohitra izay efa notsotsofina vao tonga tany amin’ny kilasy T5 hanala Cepe. Mazava ho azy fa maro ireo ho kivy ka hiala an-daharana ary hanampy isa ny zaza tsy ampy taona miditra tsy fidiny eo amin’ny sehatry ny asa.

Lany andro amin’ny fanavaozana rafitra sy ny ady an-trano ny eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izay tena miasa mihitsy saingy tsy mamokatra. Hadisoana goavana anisan’ny nataon’izy ireo ny fileferana lava amin’ny sitrapon’ny mpampianatra Fram mpanao fitokonana sy takalon’aina ny fianaran’ny zaza malagasy. Aiza ve dia herinandro mialohan’ny fanadinana Cepe ny sendikan’ny mpampiantra no mampihorohoro fa tsy hisy ny fanadinana. Nisy fiantraikany tany amin’ny mpianatra izany ary io niaraha-nahita io ny vokatra. Tena mampijaly ary toy ny fonja mihitsy ny ankamaroan’ireny Epp ireny. Mamono sy manompa ny mpampianatra nefa olona tsy haninona tsy haninona ny ankamaroany. Tanora naditra sy tsy nahay firy tany am-pianarana ka tsy nahita asa tsara  ny maro amin’izy ireo no lasa mampianatra eny amin’ny Epp. Mitady hevitra amin’ny alalan’ny fahafantarana olona sy ny fanaovana kolikoly dia lasa mampianatra Fram. Rehefa tamana taona vitsivitsy ao dia manao fitokonana mba horaisina mpiasam-panjakana. Dia izay no fototr’izao fanabeazana mikorosy fahana izao.

Hiaraha-mahita eo indray ny vokatry ny fanadinana Bepc sy bakalorea fa raha mbola misy fihenany dia tokony mieritreritra ny fitondram-panjakana sy ny minisitera mpiahy fa tsy mamely ny tetikady nampiasain’izy ireo. Toa lasa manenjika isa hamenoana antotan-taratasy hanaovana tatitra hakana famatsiam-bola fotsiny. Tsy ny isan’ny zaza miditra an-tsekoly mantsy no zava-dehibe fa ny isan’ny mpianatra tena nahazo fahaizana sy fahalalana ary afaka hiatrika dingana ambonimbony kokoa eo amin’ny fiainany. Tsy tokony hadinoin’ny eo anivon’ny minisitera fa fatiantoka iray lavaka ary sarotra ny hanonitra ny tsy fahafaham-panadinana satria vola an-tapitrisa no lanin’ny ray aman-dreny ary taona iray no very sy tsy namokatra. Izany hoe raha tena mitsinjo ny zaza malagasy ny Fanjakana sy ny minisitera dia mila mifantoka amin’ny tetikady tena hahaizan’ny mpianatra mba hahafa-panadinana azy ireny. Ekena fa misy ny ankizy no somary taratara amin’ny fitadidiana sy ny fifantohana saingy inoana fa tsy ny antsasa-manilan’izy ireo mihitsy no ho voan’izany. Misy tsy mety ny fampianarana matoa betsaka ireo tsy afa-panadinana ary tsy tokony hanilika andraikitra sy hitondra fanazavana hanadiovan-tena ny tompon’andraikitra fa miaiky ny hadisoana sy ny tsy fahombiazana mba hahafahana manatsara sy manitsy ny tsy nety amin’ny manaraka.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre