Besarety – Mirongatra ny vaky fiara
Ao anatin’ny indray mipi-maso monja dia manjavona ny zavatra ao anaty fiara, izay mijanona ka tsy misy mpiandry eny Besarety sy ny manodidina. Ny faran’ny herinandro lasa teo izao fianakaviana iray no very poketra izay najanona tao anaty fiara. Nivoaka kely nijery zavatra fotsiny izy ireo ka navela vetivety teo amoron-dalana ny fiara. Nony tafaverina anefa dia hita fa nisy nanokatra ny varavarana ary nanjavona tao ilay poketra feno antotan-taratasy sarobidy maro sy vola ihany koa. Mody fanina sy nilaza ho tsy nahita ny zava-nitranga ireo teo amin’ny manodidina rehefa nanontaniana. Matetika dia mahita ny zava-misy mihitsy ireo mpivarotra amoron-dalana saingy tsy sahy manondro ireo olon-dratsy. Eny Tsaralalàna sy Analakely iny dia mifankalala tsara ireo mpivarotra sy ny mpanendaka ary ny mpamaky fiara saingy miray tsikombakomba. Hatramin’ny nisian’ny fandroahana mpivarotra nataon’ny kaominina izao dia hita fa nisy fihenana ny sinto-mahery sy halatra radio anaty fiara tao afovoan-tanàna tao. Lasa nikisaka any amin’ireo fokontany manodidina toa an’i Mahamasina, Andravoahangy, faravohitra, Besarety ary Ampandrana ireo olon-dratsy. Misy mpitandro filaminana ihany tsikaritra eny an-dalana eny saingy toa mifantoka manokana amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy ny fanasaziana ny mpamily fotsiny izy ireny fa tsy mba manampy amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.