Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Vondrozo – Tafakatra Ar 5 000 ny litatry ny lasantsy

Nisondrotra hatramin’ny Ar 5 000 ny litatry ny lasantsy any Vondrozo efa hatramin’iny herinandro lasa iny. Any amin’ny varo-maizina no ahitana io ary tsy maintsy mividy izay mila. Vokatr’izany dia tafakatra Ar 17 000 ny saran-dalana mankany an-toerana raha toa ka Ar 15 000 izany teo aloha. Ankoatra ny halafon’ny vidin-tsolika dia mampiteny ny moana ny lalana mankany Vondrozo ary kamiao sy fiara tsy mataho-dalana sisa afaka makany. Tsy mba misy ireny taksiborosy Sprinter na Mazda ireny mankany fa fiara 4×4 no fitateram-bahoaka ka izay no tena mampidangana ny saran-dalana. Fiara tsy mataho-dalana miisa roa no mampifandray ity distrika ity amin’i Farafangana. Mampiseho ny tena fahantran’ny firenena malagasy ny zava-misy any Vondozo izay sady saro-dalana no marisarisa ihany koa amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny asa fampandrosoana ankapobeny. Tsy mahatratra 50% akory ny tahan’ny fahafahana fanadinana Cepe ho an’ny sekolim-panjakana any an-toerana.

Tsy hitan’ny mpitondra izany nefa mba fantatr’izy ireo ihany angamba  fa ny hanamboatra lalana ho an’ny vahiny hanatrika ny fivoriamben’ny frankofonia ihany no mahamaika sy laharam-pahamehana ho an’ireo ao amin’ny antoko Hvm ao. Raha ny zava-misy dia hita fa tsy mbola mialohan’ny taona 2018 no hahavitan’ireo lalana tena ratsy rehetra eto Madagasikara. Saika mifantoka betsaka amin’ireo lalana handalovan’ny vahiny mpiara-miombon’antoka sy mpampiasa vola ary mpizahatany no laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre