Mahajanga – Nahafaty olona ny saofera mamolava
Ankizivavy avy nijery valim-panadinana Cepe no maty voahitsaky ny fiara 4×4 tany Mahajanga ny alahady lasa teo. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso dia mamo ilay saofera nitondra ilay fiara ary tsy nanana taratasy fahafahana mamily ihany koa. Nitrifatrifana loatra ka avy dia nandona ilay zazavavy no sady nifatratra tamin’ny andrin-jiro. Nialana nenina tany amin’ny hopitaly ihany ilay ankizy saingy tsy tana ny ainy vokatry ny dona mafy loatra nihatra taminy. Nianjera ihany koa ilay andrin-jiro ka voatery notapahin’ny Jirama ny herin’aratra manerana ny tanàna mba hisorohana ny loza hafa mety hitranga. Araka ny fantatra dia vao avy nankalaza ny tsingerin-taona nahaterahany ity zaza tra-doza ity ny omalin’ny loza ary kambana mirahavavy izy.
Ankoatra an’Antananarivo dia anisan’ny matetika ahitana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina amoizana ain’olona ny ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Vokatry ny fandehanana mafy sy ny tsy fahafehezana ny familiana matetika no mahatonga izany rehetra izany. Ilay tao Mahajanga farany teo io izao dia nangalarin’ilay mpamily nentina fotsiny ilay fiara fa tsy azy akory fa an’ny havany ka izao tra-doza izao.
Tena lasa gaboraraka ny fifamoivoizana eto amintsika ary ny tsy manan-tsiny hatrany no mizaka ny voka-dratsy rehetra. Ireo mpitondra moto, sy saofera mpitatitra ary ny mpitondra 4×4 izay saofera fa tsy tompony no tena matetika mamoa-doza. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fandraisan’andraikitry ny tompon’andraikitra mpanara-maso sy mandrindra ny fifamoivoizana. Resa-be fotsiny, ohatra, ilay hetsika fitiliana ny tahan’ny alikaola eo am-pamiliana fa tsy nitohy akory.
Dom