Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Toliara – Ady saritaka ny fitantanana ny bac fiavota

« Hafaingano ny fanaovana tolo-bidy vaovao mba hialana amin’ny fifanolanana », hoy ny foko Toko Bey telo.

Taorian’ny namoahan’ny fitsarana ny didy, ny 24 jona lasa teo, amin’ny hitantanana indray ny Bac Fiavota, sambo mpitatitra entana sy mpandeha, mampitohy an’i Toliara amin’ny kaominina ambanivohitra maromaro amin’iny tapany Atsimo iny, dia raikitra ny fifandroritana eo amin’ireo raiamandreny sasantsasany avy amin’iny sisin-dranomasina atsimon’i Toliara iny, notarihan’ Atoa Zantera Milison sy ireo parlemantera telo mirahalahy nahitana ny Senatera Samson Goulzar, ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenana ho amin’ny faritanin’i Toliara Erafa Brisson (JB), ary ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara Raza voafidy tao Toliara I ny amin’ny fitantanana an’ity baka ity ankehitriny.

« Lavinay olom-boafidy ny hitantanan’ i Riaz indray ny « Bac Fiavota » araka ny didy navoakan’ny fitsarana, satria ity teratany karana ity izay nitantana teo aloha no nanodina ny sambo ka nitondrany andramena tratra tany Manantenina Tolagnaro », hoy ny depiote JB, ny 27 jona lasa teo, raha nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety tao Toliara. Ny ampitson’io, dia namaly bontana ary nanohitra an’ireto olom-boafidy ireo Raiamandrenibe izay namory mpanao gazety ihany koa sy nilaza fa « tany tan-dalàna i Madagasikara, ka tokony hajaina ny lalàna navoakan’ny Fitsarana, izay tompon’ny teny farany, ka Atoa Riaz no mitantana ny Bac Fiavotana. »

 

Lasa sorona ny vahoaka

Omaly tolakandro, dia nivoaka tamin’ny fahanginany ary nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety tao Toliara ny foko Toko Bey Telo, izay angady nananana nahazoana ny sambo « Bac Fiavota », mba ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana an-dranomasina sy mba tsy hampitoka-monina ary hanala fahasahiranana ny vahoaka monina sy mipetraka manamorona ny sisin-dranomasina atsimon’ny Toliara iny. Hentitra ny foko Toko Bey Telo tamin’ny fanambarana nataony, izay novakian’Atoa Emahaonetse, iray amin’ireo filoha telo mpiara-mitantana, fa « tsy ekenay ny fanohitohinana ny fizotry ny asan’ny Bac Fiavota satria lasa sorona ny vahoaka. Manohy ny asany Atoa Mamodaly Zakamana Arcaduis, mitantana ny Bac Fiavota amin’izao, mandra-panatanterahana ny tolo-bidy vaovao izay mila hafainganina ny fanaovana izany mba hialana amin’ny disadisa lava sy ny fifanolanana. Matoky ny fitondram-panjakana izahay Toko Bey Telo noho ny fiaraha-miasa. »

Eric Rakotoson

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre