Hery famoretana be tsy handraofana !
Nahagaga ny vahoaka malagasy iray manontolo ny fahitana mpitandro filaminana marobe navoaka hanara-maso sy hampihorohoro ny hetsika diabe nataon’ny mpanao gazety sy ireo tsy manaiky ny fanampenam-bava rehetra amin’izao fotoana izao. Tena nampiseho mazava fa tsy mitombina ny filazana fa tsy ampy isa ny mpitandro filaminana hametraka ny fandriam-pahalemana eto amin’ny firenena. Manjaka tokana sy manampatra ny habibiany mantsy ny dahalo sy ny jiolahy manerana ny Nosy na an-tanan-dehibe na any ambany ravinkazo rehetra any nefa mitaraina ho tsy ampy isa sy tsy ampy fitaovana hatrany ny mpitandro filaminana. Hita omaly fa misy ampahany amin’izy ireo izany dia natokana hiaro ny fitondram-panjakana fotsiny fa tsy natao hiaro ny vahoaka akory.
Tsy manan-kadisoana ny miaramila sy polisy ary zandary satria baiko ny azy ireo ary ny lehibeny ihany no afaka manao izany saingy kosa mba mila azy ireo ihany koa ny vahoaka madinika manoloana ny hetraketraky ny olon-dratsy. Raha ireny mpitandro filaminana an-jatony ireny izao no mba nalefa any anelakelan-trano sy any anaty ravinkazo rehetra any dia inoana fa tena hihena be ny asan-jiolahy sy ny vono olona eto amintsika. Tena mila ny mpitandro filaminana hiaro azy ny vahoaka ary tsy mitsahatra manao antso mba hisian’ny fanomezan-tanana hahafahana manafoana ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika. Toa zary antso an’efitra ihany anefa izany rehetra izany satria ampahany kely amin’ireo mpitandro filaminana ihany no tena manao vy very ny ainy miady amin’ny dahalo sy ny andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana mba ho fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany.
Angonin’ny mpitondra fanjakana mba hiaro azy sy ny tombontsoany manokana ny mpitandro filaminana ka tsy afaka manatanteraka ny fiarovana ny vahoaka. Vao nahita ny hamaroan’ny mpitandro filaminana teny Ankorondrano ny mpanao facebook omaly dia nitovy avokoa ny hevitry ny rehetra izay nanome soson-kevitra hoe « tsy aleo ve ireo mpanendaka manerana ny tanàna no handrasana ambodiomby toy izao ». Tena mitombina sy tsy misy iadian-kevitra io fanehoan-kevitry ny besinimaro io satria tena mijaly ny vahoaka manerana an’i Madagasikara. Sady efa sahiran’ny fahantrana ny vahoaka no mbola mihorohoro amin’ny tsy fandriam-pahalemana ihany koa. Ny mpitondra anefa mieboebo tsy an-kijanona sady mirehareha eo imason’izao tontolo izao. Fahantrana ve no ireharehana sa faty olona isan’andro no idehadehafana? Karazan’ny mandatsa ny vahoaka madinika ihany ireo sahy milaza fa tsy mahantra ny vahoaka malagasy. Misy solombavambahoaka iray mpanohana ny Fanjakana aza sahy niteny mihitsy tamin’ny fahitalavitra fa miteniteny foana izay milaza fa mahantra ny malagasy. Nahatohina ny vahoaka io fanambarana io ary hita fa tsy mahalala ny zava-misy iainan’ny mponina ingahy depiote na izy mihitsy no miteniteny foana mba hisolelahana amin’ny mpitondra fotsiny.
Efa porofon’ny fahantran’ny vahoaka anefa ny famoahana hery famoretana ataon’ny mpitondra rehefa misy hetsika kely am-pilaminana toy iny omaly iny. Fantatry ny mpitondra tsara fa tofoka noho ny fahantrana ny vahoaka maro an’isa ka ahian’izy ireo hitroatra hanongam-panjakana. Tsy matoky « valera » araka ny filazan’ny tanora azy ny mpitondra ary mitebiteby isan-tsegondra sao hitroatra ny vahoaka. Io antony io no mahatonga azy ireo hametraka paikady hitazomana ny ampahany betsaka amin’ny mpitandro filaminana tsy handeha hanao fampandriana fahalemana fa kosa ho vonona handrava ny hetsi-bahoaka amin’ny endriny rehetra.
Ravalo tsy Manana