Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Arina fandrehitra – Nisondrotra be ny vidin’ny saribao

Sahirana tanteraka ny vahoakan’Antananarivo amin’ny halafon’ny saribao amin’izao fotoana izao. Tafakatra hatramin’ny 35 000 ariary mantsy ny vidin’ny lasaka lehibe iray. Ankoatra izany dia filaharam-be ihany koa eny amin’ny mpaninjara satria tsy ampy ny vokatra tonga eto an-tanàna. Araka ny fanazavan’ireo mpivarotra saribao dia antony maro no mahatonga io fiakaram-bidy io ka anisan’izany ny fisian’ny mpandraharaha vaventy manangona ny vokatra. Misy mihitsy mihevitra fa aondrana any ivelany ny saribao vita eto Madagasikara. Ankoatra ireo dia miakatra be ihany ko ny saran-dalana noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Tsy vitan’izany fa mihena ny famokarana satria lasa nandeha nikarama mamboly ny ankamaroan’ireo mpiasa mpanao saribao manodidina an’Antananarivo. Efa tsy hihinan-kanina intsony ny malagasy raha ny zava-misy satria ny andrahoina efa kely mbola manahirana ihany koa ny ahitana afo hiketrehana izany. Tsy vahaolana rahateo ny mampiasa fatana mandeha amin’ny herinaratra noho ny delestazy sy ny fiakaran’ny vidin’ny jiron’ny Jirama. Tsy misy anefa tompon’andraikitra azo itarainana sy antenaina hitondra vahaolana amin’izao fiakaran’ny vidin’ny saribao izao fa dia ny mpividy sy ny mpanijara no rafitr’ady matetika. Lasa fahoriana ho an’ny vahoaka hatramin’ny fandrahoana sakafo ankehitriny noho ny tsy fahaizan’ny mpitondra mitantana ny asa fampandrosoana ny firenena.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre