Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Fampihorohoroana – Nalefa eny Tsiafahy ireo mpibizina vanja

Nahoraka be teto an-drenivohitra omaly ny vaovao mahakasika ny fahatratrarana olona miisa 9 voalaza fa mpanaparitaka vanja fanaovana baomba vita tanana. Araka ny vaovao avy amin’ny polisy dia nahatrarana kapisily fanapoahana dinamita miisa 16 sy vovom-banja « nitrate » milanja 300 grama tao amin’ny lehilahy iray monina eny Ivato. Olona 8 hafa avy eo no voasambotra. Ahiahian’ny mpitandro filaminana ho mpiray tsikombakomba amin’ny fanamboarana sy fanapoahana baomba vita tanana ireto olona ireto. Raha ny fanazavan’ny mpikapo-bato anefa dia efa fanaon’ny mpitrandraka kariera madinika ny mividy vanja amin’ny olona mitondra izany mandehandeha. Raha ny fantatra dia tsy manana fahazoan-dalana hampiasa vanja ireo kariera madinika manodidina ny renivohitra ka efa misy mpanera izay mamoaka vanja antsokosoko any amin’ny trano fitehirizana izany mamatsy azy ireo. Mailo anefa ny mpitandro filaminana amin’izao tany mihotakotaka izao ka nalefa vonjimaika eny Tsiafahy ireo voarohirohy.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre