Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Faritra atsimo – Miantso vonjy ny mpiompy osy

Miantso vonjy amin’ny fitondram-panjakana ny mpiompy osy any amin’ny afritra atsimon’ny Nosy noho ny tsy fahombiazan’ny fitantanana ity fiharian-karena tokony hiroborobo ity. Fantatrafa mahatratra telo hetsy sy iray tapitrisa ny osy ompiana any atsimo ary azo avadika ho loharanom-bola tsara io. Tsy misy anefa tosika sy tolo-tanana ho an’ny mpiompy mba ataon’ny mpitondra fanjakana ka lasa ny samy tambanivohitra ihany no mifampivarotra ny biby. Araka ny filazan’ny federasion’ny mpiompy osy anefa dia azo aondrana sy avadika vola vahiny hanetsehana ny fampandrosoana ny ara-toe-karena ity biby ity. Tsy very rahateo ny osy satria azo hanina ny henany sy ny rononony, azo atao karipetra ny volony ary azo atao poketra sy kiraro ny hodiny. Mitaky ny mpitondra handray andraikitra sy hitady lalam-barotra noho izany ireo mpiompy mba hahafahan’izy ireo mivelona sy mampandroso ny faritra misy azy. Raha misy ny lalam-barotra dia azo raisina ho fanoitran’ny asa fampandrosoana hisorohana ny fiverimberenan’ny tsy fahampian-tsakafo nohon’ny fahantrana ny fiompiana osy any Atsimo. Vonona ny hiasa sy hiezaka ireo mpiompy saingy mitady tosika avy amin’ny mpitondra izay mapanantena fa hiasa  ho an’ny vahoaka sy ny firenena izy ireo.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre