Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Tsimbazaza – Manadio tena ireo depiote

Manomboka manadio tena tsikelikely ireo solombavam-bahoaka tompon’antoka tamin’ny fandaniana ilay lalànan’ny serasera sy fifandraisana izay miteraka ny fahasorenam-bahoaka amin’ izao fotoana izao. Sahy nilaza mihitsy fa tsy nanao amboletra nifidy ilay lalàna ireo depiote manohana ny Fanjakana fa adidin’izy ireo ny mandany ny lalàna hitantanana ny firenena. Misy ampahany marina io adidy io saingy kosa hita fa tsy nandinika tsara ireo parlemantera tamin’ny nifidianana azy. Inoana marimarina fa vitsy tamin’ireo depiote miisa 80 no namaky hatramin’ny farany ilay volavolan-dalàna sy mahafehy tanteraka izany.

Tsy afa-miala ary tena tompon’andraikitra feno tamin’ny fandaniana iny lalàna iny izy ireo na hanadio tena sy hitondra fanazavana etsy sy eroa aza. Ny tena loza amin’ny raharaha toy izao dia ho afa-baraka fotsiny eo rehefa hiverin-dalana ny fitondram-panjakana. Raha ny adihevitra be misy amin’izao fotoana izao mantsy dia heverina fa tsy sahy ny hampihatra io lalàna io ny fitondram-panjakana raha te hiaro ny sezany sy ny fihinanany. Hangahiahy fotsiny noho izany ireo mpanangan-tanana sy manaraka am-bokony ny sitrapon’ny Governemanta. Ireto farany rahateo dia iaraha-mahita fa tsy mba sakaizan’izay azony lalaovina. Ny Antenimierandoholona izao dia efa manomboka mitady hamono afo amin’ny alalan’ny fiantsoana fiaraha-midinika amin’ny solontenan’ny mpanao gazety. Mampiseho io fa efa mihevitra ny hilefitra ny Fanjakana raha toa ka lasa lavitra ny raharaha. Ho hitan’ny havany eo ireo depiote miisa 80 rehefa hiteny ny mpitondra hoe tsy ekena indray ilay lalàna mifehy ny serasera sy ny fifandraisana.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre