Basy sisa mampijoro azy
Mifanipaka toy ny valala an-karona ny fanambaran’ny mpitondra Fanjakana sy ny zavatra ataony. Isaky ny misoka-bava ireo manam-pahefana dia ny demokrasia sy ny fahalalahana ary ny Fanjakana tan-dalàna no ambetin-tenin’izy ireo. Mifanohitra amin’izany anefa ny zava-mitranga satria tsy mahazo miteny ny vahoaka malagasy. Rarana ny fanehoan-kevitra an-dalambe ary izay mikasa hanao izany dia handefasana mpitandro filaminana an-jatony mirongo fitaovam-piadiana hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika fitondra amin’ny tany miady no lanjain’ireo miaramila sy polisy ary zandary izay avoaka hanakana sy handrava ny hetsika rehetra an-dalam-be. Sakanana amin’ny fomba rehetra ny fahafahan’ny malagasy mitaraina sy milaza ny zava-misy marina eto amin’ny firenena. Basy sy grenady ary vovoka simika mandatsa-dranomaso sy mankarary tratra no miandry izay miseho mikiry hisitraka ny zony haneho hevitra. Nahagaga mihitsy ny zava-mitranga satria na ny olon-tsotra tsy miditra amin’ny hetsika aza dia tsy mahaleo mandeha ao afovoan-tanàna. Hatramin’ny mpivarotra sy ny mpandalo no voarara tsy handalo ao Analakely. Inona marina no tena tadiavin’ny mpitondra Fanjakana apetraka eto. Ry zareo ireo ihany mantsy no rangory fototry ny afo mahatonga ny savorovoro misy eto amin’ny firenena. Sakanana ny olona tsy hahazo haneho hevitra amin’ny tambazotram-pifandraisana. Avy eo raràna ny mpanao gazety tsy avela hamoaka ny hevitry ny vahoaka sy ny zava-misy marina. Io antony io no mahatonga ny olona hitroatra ka manao izay hevitra rehetra hahafahana milaza ny marina eny an-dalambe.
Minia mikipy ve sa tsy te hahalala ny zava-misy marina iainan’ny vahoaka ny mpitondra ankehitriny ? Aiza izy ireo amin’izao vidim-piainana miakatra sy midangana be izao ? Tsy fantatry ny mpitondra na odian’izy ireo fanina fa ny ataony ihany no mahatonga tsy fahamarinan-toerana ara-politika sy toekarena ary sosialy eto Madagasikara. Io izao fa niara-niakatra ny vidin’ny saribao sy ny solika ary ny herin’aratra ka tena mampikaikaika ny vahoaka malagasy nefa odian’ny mpitondra tsy fantatra. Misy rahateo ny hatsana lehibe manelanelana ny manam-pahefana sy ny vahoaka ka tsy hahalalana izany mihitsy ry ingahy minisitra sy ry mpiasam-panjakana ambony raha tsy amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao sy ny tambazotram-pifandraisana ary ny fidinana an-dalam-be.
Tsy te hahalala ny fahasahiranam-bahoaka ireo mpitondra ary tsy matahotra izay hetsi-bahoaka satria manana mpitandro filaminana be traikefa sy tsy misangy afaka handrava ny hetsika sy hisambotra ary hanagadra izay miseho ho be saina. Miantehitra amin’ny herin’ny basy sisa ny mpitondra Fanjakana fa raha ny fanohanan’ny vahoaka efa tsy misy intsony. Tapenana amin’ny basy sy ny fonja ny vavam-bahoaka mba tsy hiteny hilaza ny marina sy hitaky ny zony. Sambany teto Madagasikara no nisy fitondram-panjakana tsy namela na iza na iza hanao famoriam-bahoaka teto Antananarivo. Noendrikendrehina ho mpanao didy jadona ny filoha Didier Ratsiraka fa namela ny mpanohitra hanao hetsika hatrany. Toy izany ihany koa ry Zafy Albert sy Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina. Nanome toerana hanaovan’izay tsy afa-po tamin’ny fitantanana ny fitondrana izy ireo fony mbola teo amin’ny fahefana. Ankehitriny lazaina fa manjaka ny demokrasia nefa tsy mahazo maneho hevitra ankalalahana akory ny vahoaka. Na filaharana sendikaly sy holafitra aza no saika hataon’ny mpanao gazety dia nosakanan’ny fitondram-panjakana izany. Any aminy rahateo ny basy ka sahiny ny manjakazaka. Raha ny tokony ho izy anefa dia ny filoham-pirenena mihitsy no mila mandray andraikitra mampiantso ny mpanao gazety hiaraha-midinika hamahana izao olana mitranga izao.
Ravalo tsy Manana