Fifamoivoizana – Mitanila ny asan’ny polisy kaominaly
Mampitaraina ny mpamily taxi, sy moto, eto an-drenivohitra ny afitsok’ireo polisy kaominaly izay mitady ny hirika rehetra hanamparana ny fahefany. Omaly maraina, Taxi iray no nalain’ny polisy ny taratsy teny Ampandrana noho ny fijanonana segondra vitsy. « Entop aty ny taratasy hoy ilay polisy ». Namaly am-panajana ilay saofera Taxi hoe : « saika… ». Tsy tapitra akory ny teniny dia notapahan’ilay polisy hoe : « tsy azo anaovana izany eo ». Sazy avy hatrany no nihatra tamin’ilay mpamily fa tsy mba nisy akory ny fifanajana sy ny fanazavana izay hadisoana nataony. Mivangongo amin’ny toerana tsy be fifamoivoizana, iny ambadiky ny sekoly Rasalama iny, ireo polisy ary miandry kendry tohana izay mpamily hosaziana. Raha misy fiara sendra mijanona mividy zavatra vetivety dia tonga dia petahana ilay gadra tsy mampihetsika ny kodiarana ka tsy maintsy mandoa vola any Tsimbazaza vao esorin’ny polisy ilay izy. Mahagaga anefa fa iny Antaninandro sy Andravoahangy ambony ary ny faritra tena isian’ny fitohanan’ny fifamoivoizana tsy dia ahitana polisy kaominaly firy. Any amin’ireo toerana tena anjakan’ny ditran’ny taxi-be dia tsy hita ihany koa ireo polisy misatro-mavo sy miakanjo manga. Mampitaraina ny mponina io fomba fiasa io ary maro ireo mimenomenona sy manome tsiny ny ben’ny tanàna nefa ny polisy kaominaly no tsy manao tsara ny asany.