Vous êtes ici :

Dimanche 17 Novembre 2024

ombre

Ambalavao – Miaramila maty sady voatetitetika

Nisy namono ny Adjudant chef Razafihitra miasa ao amin’ny « Force de développement » RM 2 Fianarantsoa ao amin’ny Camp Maromanana, rehefa avy namonjy fahoriana tany Vangaindrano. Izy irery no tao amin’ny toby ka ny zanaky ny miaramila hafa nody avy nivarotra akoho avy any Ambalavao no nahita azy maty voatetika novonoin’ny olona tsy fantatra ny hariva ny 06 jolay 2016. Noho izany dia lasa ny basy Akm niaraka amin’ny bala mbola tsy voafaritra izay noentin’ireo namono azy. Nandray fepetra avy hatrany ny  tompon’andraikitra any an-toerana ka nafindra any amin’ny toby  Besorohitra RM 2 ny razana. Nandefa zandary 05 miaraka amin’ny manam-boninahitra iray hanampy ny borigady ao Ambalavao hanantanteraka ny fanadihadiana. tsy fantatra mazava hatreto ny anton’ny famonoana na halatra basy fotsiny na ihany koa resaka lonilony sy valifaty mihitsy.

Dom

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre