Fahasahiranam-bahoaka – Mody fanina ny depiote
Solombavam-bahoaka no iantsoana ny depiote eto Madagasikara. Ao anatin’ny fotoana fivoriana tsy ara-potoana izy ireo amin’izao fotoana izao nefa tsy re feo mihitsy manoloana ny fahasahiranam-bahoaka-. Vao mainka aza nanakanton-trano mba tsy hahafahan’ny mpanao gazety maka vaovao eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza. Milaza ho miasa mafy sy miasa tsara ireo depiote nefa mangina sy tsy miteny manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny tsy fandriam-pahalemana. Tao anatin’ny herinandro izao dia nisondrotra ny vidin-tsolika, ny jiro sy rano, ny saribao, ary hanaraka tsy ho ela ny saran-dalana. Tsy misy depiote na iray aza amin’ireo miisa 80 izay sakaiza mahatokin’ny fitondrana Hvm mba mijoro mitondra ny fitarainan’ny vahoaka any amin’ny mpitondra.
Raha ny tokony ho izy dia mihaino ny hetahetam-bahoaka ny depiote ary mitatitra izany any an-dapa mba ho henon’ny mpitondra fanjakana ka fandraisan’ny governemanta fepetra. Tsy izany anefa no mitranga satria tsy manao ny asa mpanara-maso ny fahefana mpanatanteraka intsony ny parlemanta malagasy fa kosa lasa mpiara-miombona antoka amin’ny governemanta ary mpanangan-tanana fotsiny mba hampandany izay volavolan-dalàna rehetra aroso eo. Izao fotoana izao tena ilan’ny vahoaka ireo depiote nofidiny mivantana mba hiaro azy sy hitondra ny hetahetany fa tsy handray vola sy tombontsoa mihoa-pampana ao Tsimbazaza ary avy eo hifidy lalàna tsy mifanaraka amin’ny filan’ny firenena akory.
Dom