Faharatsian’ny vokatra Cepe – Manilika andraikitra ny minisitera
Tsy manaiky diso ary mahita fanazavana foana ny fitondram-panjakana. Nailiky ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena any amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra mantsy ny rihatra rehetra tamin’ny fihenan’ny taham-pahafahana fanadinana Cepe roa taona nisesy izay. Sahin’ingahy minisitra mihitsy no nilaza fa mitontongana ny fari-pahaizan’ny mpianatra malagasy. Nambarany ihany koa fa tsy mpianatra vao niditra tamin’izao fitondrana izao ireo tsy namokatra ireo fa efa tamin’ny dimy taona lasa. Izany hoe tsy izy sy ny minisiterany ary ny ekipany no tompon’antoka tamin’ny nampikorosy fahana ny fari-pahazain’ny zanaka malagasy. Nahitsy toraka izany ary tsy nifidy vava navoaka ny minisitra raha nilaza fa azo atao tsara ny mizara diplaoma amin’ny salan’isa fahafahana 7 nefa tsy izany no ilaina fa mpianatra mahay.
Tena nahery vaika ary nilentika tany am-pon’ny mpianatra sy ny ray aman-drenin’ireo tsy afa-panadinana io fanambaran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena io ary niteraka fimenomenomana teny anivon’ny fiarahamonina. Dradradradraina hatrany mantsy ny fitohizam-pahefana nefa rehefa mitranga ny tsy fahombiazana dia ailika any amin’ny mpianatra sy mpampianatra ary ny ray aman-dreny ny rihitra rehetra. Raha ny tian’ny minisitra hambara ve izany dia afaka dimy taona aorian’ny nandraisany ny fitantanana vao hisy vokatra haomby eo amin’ny lafin’ny fampianarana ? Tokony talohan’ny fanadinana izy dia efa niteny izany fanazavana rehetra nataony izany mba nahafahan’ny rehetra niomana fa tsy maintsy ho ratsy ny vokatra ary hamerin-taona ny antsasa-manilan’ireo mpianatra hanala Cepe. Hatreto izany dia efa mila manomana saina sy vola hamerenan-taona ihany koa ireo mpanala Bepc sy baccalauréat satria mbola tsy teo ny minisitra tamin’ny 5 taona lasa.
Dom