Vous êtes ici :

Dimanche 17 Novembre 2024

ombre

Mandoto – Ramatoabe sy ny zafikeliny roa maty nodoran’ny jiolahy

Maty kilan’ny afo ny ramatoa be 60 taona sy ny zafikeliny miisa roa izay 4 sy 10 taona monina any Mandoto Antsirabe. Nodoran’ny jiolahy velona tao an-trano izy ireo ary notondrahany lasantsy mihitsy talohan’ny nanipazany afokasoka mirehitra. Vatan-dehilahy am-polony no niditra tao amin’ilay trano ary nanery ilay renibe hamoaka ny vola rehetra. Nilaza ho tsy mitazona vola ity farany ka nasain’izy ireo nitondra azy tany amin’ny efitrano misy ny vatan-dehilahy.

Tsy nanaiky izany anefa ilay renim-pianakaviana ka natosik’ireo jiolahy tao amin’ny efitrano nisy ankizy natory. Norarahana lasantsy izy telo mianaka ary nodorana tao dia nakatona avy any ivelany ny varavarana. Nandrasan’ireo jiolahy tamin’ny basy teo ivelany mandra-pahafatin’izy telo mianaka voadoro tao anatiny. Tsy nisy sahy nivoaka nanavotra ny mpiara-monina satria natahotra ny tifitra variraraka nataon’ireo olon-dratsy. Araka ny vaovao voaray dia tsy nitondra entana na inona na inona ireo olon-dratsy fa lasa fotsiny rehefa nandoro velona ireo tsy manan-tsiny. Fantatra ihany koa fa nisy olona 3 hafa mipetraka ao amin’ilay trano naratra mafy sy may teo amin’ny lohany.

Manahy ny mponina any an-toerana fa mety misy ambadika hafa ankoatra ny fanafihan-jiolahy tsora ity tranga ity. Rehefa tsy nahita lehilahy tao an-trano mantsy ireo mpanafika dia ny zaza amam-behivavy no novonoiny ho faty. Mety misy resaka lonilony sy valifaty ary fialonana ny tranga toy izao. Ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana ihany anefa no hahafantarana izay tena antony marina ka miandry izany ny vahoaka.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre