Fanjakana loham-boto !
« Fanjakana loham-boto tsy ho ela velona ! » Fantatry ny rehetra tsara io hiran’ny tarika Mahaleo io satria efa nandalo taona maro ary voaporofo ara-tantara ny zava-nitranga teto amin’ny firenena sy manerana izao tontolo izao. Mbola notohizan’ny mpampianatra politika iray sady mpandinika ny fiarahamonina eny Ankatso fa tsy misy mafy be izany eto an-tany fa rehefa manao ny tsy rariny dia lasa itambaran’ny maro an’isa ka tsy maintsy resy hatrany. Tsy nisy nalaza ho be mokon-doha toa an’i Adolphe Hitler sy ny Nazi niaraka taminy fa rehefa tratran’ny tamba-be maty sy rava ihany. Nanana ny lazany ary noheverina ho tsy ho tratry ny aloka izany Saddam Houssen izany fa nanaovan’ny tandrefana adim-borontsiloza dia matin-dry zareo ary rava ny Fanjakany. Nampitsangam-bolo ary nahafaty olona an-jatony i Ben Laden fa rehefa tratran’ny ady saritaka nataon’ny amerikanina sy ny mpiara-dia aminy dia lasa any amin’ny varo tsy mifody ihany. Niavaka sy tsy azo nivazivaziana i Kolonely Kaddafi saingy rehefa nandefasan’ny frantsay komando marobe dia matiny ihany koa. Santionany kely ireo izay tantara nisy amin’izao vanim-potoana iainantsika izao ary nampiseho fa ny akanga maro tsy mety vakin’amboa ary ny mita be tsy lanin’ny mamba. Miriaria ihany ny angidiny fa any an-kady no hiafarany.
Tsy tany ivelany ihany no nandaitra io herin’ny tamba-be io fa teto Madagasikara ihany koa. Vao nanao zaikabe ny antoko Pisodia tamin’ny herinandro lasa iny ary nirehareha fatratra fa anisan’ny fikambanana politika nateza indrindra teto Madagasikara. Tsy azo hadinoina anefa fa izany Pisodia izany dia efa nahafantatra tsara ny valin’ny hatezeram-bahoaka ary nahita maso fa izay be no basy. Vahoaka maro tsy lanin’ny tafika, ary ny tora-bato tsy levon’ny bala. Nalaza ny fihantsiana nataon’ny Filoha Tsiranana tamin’ny taona 1972 nanao hoe « tsy haharesy anay akory fa tsaky tsaky zato arivo ! ». Izany hoe manana basy maro vava handripahana ny vahoaka sahy mitaky ny zony ny fanjakana ary tsy hitsitsy fa hitifitra sy handripaka. Raikitra tokoa ny fifandonana nefa tsy naharesy ny tolom-bahoaka ny miaramilan’ny FRS. « Maromaro ny akamanareo no levon’ireo vatokely…efa maty ialahy vao olo-malaza maty teny Ambohijatovo. Malaza ratsy toy ny jiolahy maty lavitry ny vovo ! » hoy ry Lolo sy ny tariny mampahatsiahy ilay miaramila matin’ny fitsaram-bahoaka ka nipotsa-tsinay teny ambohijatovo tamin’ny 13 mey 1972.
Nampihoron-koditra sy nalaza ho tena tsy misangy ny Amiraly Didier Ratsiraka nefa in-droa nisesy voarodan’ny vahoaka hatrany. Efa namono olona tamin’ny alalan’ny Resep sy ny mpitoraka pilotra avy any Atsimo ary ny hélikoptera mpitoraka grenady teny Iavoloha io filoha io saingy resin’ny hetsi-bahoaka ihany tamin’ny taona 1991. Mbola nanampatra ny fahefany ary nampiasa mpikarama an’ady nanapaka tetezana sy nandripaka izay tsy nitovy hevitra taminy indray ny taona 2002 saingy ravan’ny mita-be tsy lanin’ny mamba ihany koa ary lasa nandositra tany ivelany nandritra ny taona maro. Anisan’ny nitandroka ny vahoaka ihany koa i Marc Ravalomanana ary namoaka vava hoe « tsapao aloha ny heriny vao miady aminy ». Nanampy izany i Guy Rivo Randrianarisoa, solombavam-bahoaka amin’izao fotoana izao izay nialza fa « ny sandry samy manana ». Nivoaka tokoa ny Emmoreg tamin’izany 2009 izany ary tena nanao ny asany amin’ny fandravana hetsika nefa niaraha-nahalala ny zava-nisy fa lasa nanavotr’aina nanao sesintany ny tenany tany Afrika atsimo i Marc Ravalomanana sy Guy Rivo Randrianarisoa. Ny tantara tsy mba fanadino ary ny tantara miverimberina koa mila mandinika ny mpitondra ankehitriny fa mitady hamerina ny hadisoan’ireo nialoha lalana azy. Izao fihetsika fanampenam-bava ny olona tsy haneho hevitra amin’ny haino aman-jery sy tsy mahazo manao fivoriana an-kalamanjana izao hatrany no vanja nampirehitra ny hetsi-bahoaka izay niafara tamin’ny fanonganam-panjakana an-dalam-be ary niteraka krizy nifanesy teto Madagasikara. Toa mirona any amin’ny fanaparam-pahefana sy ny fianteherana amin’ny herin’ny basy ny mpitondra ankehitriny koa mieboebo sy mihevi-tena tsy ho diso mihitsy. Mbola tsy mipoaka ny krizy ary mbola tsy tara izao raha miverina amin’ny fifampiresahana sy ny famitranam-pihavanana. Atsipy ny tady any an-tandroky ny omby ary atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala. Ny fitarainan’ny vahoaka mantsy toy ny tsipak’ombalahy ka raha mahavoa mahafaty ary raha tsy mahavoa mampiongana ! Saro-babay ka izay voa aza tazitra. Ny hendry ihany koa no anarina e!
Ravalo tsy Manana