Halatra lakolosy – Afenina any anaty gonim-bary
Any anaty gonim-bary no afenin’ireo mpangalatra ny lakolosim-piangonana ary entin’izy ireo taxiborosy aty Antananarivo na any Fianarantsoa. Ny hafa kosa indray dia mampiasa baoritra fitondrana vata fahitalavitra hanafenana ny lakolosy. Olona miisa 7 no voasambotry ny borigadin’ny zandarimaria ao Fianarantsoa tamin’ny 8 jolay lasa teo ka nanao tarika roa samihafa ireo. Ny tarika voalohany dia olona miisa 5 tratra nitondra lakolosy milanja 30 kilao ary nandeha taksi-borosy avy any Ambohimahasoa. Ny andiany faharoa kosa dia olona miisa 2 avy any Mananjary ary nandeha fiara fitaterana ihany koa.
Raha ny resaka mandeha dia ifampitadiavana ny vy mafonja fanamboarana lakolosim-piangonana ary misy sahy mividy lafo dia lafo ny kilao ka izay no mampirongatra ny halatra amin’izao fotoana izao. Misy milaza saingy tsy mbola nisy fanambarana ofisialy avy amin’ny mpanao fanadihadiana fa aondrana any Sina ireny lakolosy ireny hatao akora fototra. Ny azo antoka fotsiny dia efa nisy tambazotra mpanondrana korontam-by any Sina efa saron’ny mpitandro filaminana. Io fanondranana io no tena mahatonga ny halatra vy toy ny lakolosy, taribin’ny Jirama ary ny lalamby eto Madagasikara. Efa maro no voasambotra saingy toa ireo mafiady sy tia kely mpanao hala-botry hatrany no midoboka eny am-ponja fa ireo mpaniraka tsy mba voakitikitika mihitsy.Tamin’ny resaka halatra lakolosy dia efa nisy mihitsy mpitarika fivavahana tao amin’ilay fiangonana ihany no tompon’antoka sy voasaringotra.
Dom