Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Befandriana avaratra – Adin’ny mpiray tanàna niafara tamin’ny fahafatesana

Disadisa teo amin’ny mpiray tanàna no nahatonga ny fahafatesan’iray tamin’ireo mpifanandrina. Tany Befandriana avaratra faritra Sofia no nisehoan’ity vono olona ity. Araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena dia lehilahy telo no niady tao an-tanàna ka nanaovan’i Eric sy Lico tambabe i Letofa ary naratra mafy sy mavo tamin’ny tany. Tsy maty teo noho eo anefa izy fa mbola nentin’ny havany sy ny fokonolona tany amin’ny hopitaly Vaovao mahalafy any mandritsara. Na teo aza ny fitsaboana natao dia ny androtr’io naharatra azy io ihany izy no lasa tany amin’ny varo tsy mifody. Nandray andraikitra avy hatrany ny mpitandro filaminana manoloana izany ka nandefa zandary roalahy hanao ny fisamborana sy ny famotorana ireo rolahy namono an’i Letofa. Tranga efa mateti-piavy ny toy izao satria entin’ny tendro-po tsy mba namana dia lasa manaonao foana mamono olona. Rehefa tara fandraisana andraikitra anefa ny mpitandro filaminana dia miafara amn’ny fitsaram-bahoaka ny raharaha toy izao.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre