Mahajanga – Miparitaka ny vola sandoka
Miparitaka be ny vola sandoka ao Mahajanga amin’izao fiandohan’ny fialantsasatra izao. Ireo lelavola Ar 10 000 no tena iharan’izany ary mbola tsy nisy tratra ireo mpanaparitaka. Mpivarotra fahana sy mpanao taxiphone no efa voan’izy ireo. Mody manakalo vola ilay mpanaparitaka ny vola sandoka ary rehefa tsy mahazo dia mividy fahana Ar 1 000. Tsy tonga dia atolony avy hatrany ilay vola fa asehony fotsiny sy tazotazominy eny an-tanana ka miandry ny mpivarotra handoa famerim-bola izy vao manome ilay iray alina ariary. Vao azony ny famerim-bola dia lasa manao tari-dositra mitsoaka ilay mpanao vola sandoka. Raha ny filazan’ny olona efa nahita dia hafahafa toy ny taratasy tsotra ilay iray alina sandoka fa tsy mitovy amin’ny vola tena izy raha vao raisina fotsiny. Rehefa tarafina ihany koa dia tsy misy ilay sarin’omby hamantarana ny vola malagasy. Efa tapa-bolana izao no nalaza tao an-drenivohitry ny faritra Boeny ity vola sandoka ity saingy tsy mbola nisy sarona ireo mpanao izany. Raha ny zava-nitranga taloha sy ny efa vosambotry ny mpitandro filaminana dia mitety faritra ireo olon-dratsy ary tsy mitondra vola sandoka fa fitaovana fanamboarana no entin’izy ireo. Manofa trano fandraisam-bahiny izy ireo ka ao no hanamboarany ny vola. Izay vita eo dia ezahiny haparitaka eo an-tanàna ihany ka rehefa voavadika vola tena izy ireny dia lasa mandeha sy mifindra toerana ireo olon-dratsy. Ny afrikanina no tena malaza ratsy amin’ity heloka bevava ity saingy toa sahy hatrany na dia efa maro aza ireo voasambotra. Tsy fantatra ihany koa na tena higadra mandra-pahafaty araka ny lalàna manan-kery tokoa ireo tratra manao vola sandoka eto Madagasikara na afaka mangingina any ambadika any rehefa milamindamina ny raharaha.
Dom