Olon-dehibe mpamarina an-kady !
Na inon-kitranga na inon-kidona dia nolanian’ireo Loholona sy Solombavam-bahoaka ihany ilay volavolan-dalàna mifehy ny serasera sy ny fifandraisana. Tsy fantatra mazava izay antony tena nampisisika azy ireo hanao izany ary mampametra-panontaniana ny maro hoe mitady fitoniana tokoa ve ireo tompon’andraikitra eto amin’ity firenena ity sa maniry ny hisian’ny savorovoro mandavan-taona. Tsy mitombona mantsy ny fanadiovan-tena ataon’ireo parlemantera izay milaza fa lalàna natao hampandrosoana ny firenena no nofidian’izy ireo. Tsy mitombina satria ny olona natao hanaraka ilay lalàna aza tsy mankasitraka izany. Ny mpanao gazety sy ny mpisehatra amin’ny serasera no tiana horesahina eto. Ny solombavam-bahoaka sy ny loholona ary ny mpitondra fanjakana rahateo dia efa samy niray hevitra fa ny mpanao gazety ihany no nandrafitra io lalana io. Misy ampahany marina nefa misy ampahany fitaka ihany koa satria nisy nanova antsokosoko ilay lalàna niaraha-nandrafitra sy nanoratra. Ny praiminisitra anefa efa niteny talohan’ny nandefasana ilay volavolan-dalàna teny amin’ny parlemanta fa tsy nisy novaina ilay izy. Ny filohan’ny Antenimierandoholona ihany koa efa niteny tao amin’ny fandaharana « Don-dresaka » ao amin’ny Tv Plus Madagascar fa tsy mankasitraka ilay lalàna. Raha ny filazany aza dia karazan’ny nifidy an-jambany ny Loholona. Niteny mantsy izy tamin’izay hoe efa misy vaomiera manokana mandinika satria ireo no mahay momba ny serasera ka izay heverin’io vaomiera io fa mety no neken’ny ankamaroan’ny Loholona. Efa niteraka adihevitra be sy savorovoro teto amin’ny firenena anefa ilay lalàna ary niverina fanindroany teny amin’ny Antenimieran-doholona dia mbola lany ihany. Toy izany ihany koa ireo solombavam-bahoaka izay efa nahita sy nahafantatra tsara fa mety hiteraka savorovoro eto amin’ny firenena io lalàna io nefa mbola nofidin’izy ireo fanindroany indray. Farany dia nahitsy ny tenin’ny Filoham-pirenena izay nanome tsiny mafy ny mpanao gazety nitaky ny zony tamin’ny tsy fanekena io lalànan’ny serasera io.
Rehefa tena zohina dia ireo mpitondra Fanjakana irery ihany no mankasitraka io lalànan’ny serasera sy ny fifandraisana io. Na ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana aza dia nilaza mazava fa tsy mankasitraka ny fanampenam-bava ny mpanao gazety sy ny fahalalahana haneho hevitra. Nijorony vavolombelona mihitsy tamin’ny alakamisy lasa teo fa ny fifandirany tamin’ny mpanao gazety no nampiongana azy teo amin’ny fitondrana. « Tsy mety ny miady amin’ny mpanao gazety. Izaho izao niady taminareo dia niongana » hoy ny Filoha Ravalomanana niteny am-pahatsorana ny zavatra efa niainany. Tsiahivina tokoa mantsy fa niainga tamin’ny fanakatonana ny haino aman-jery VIVA ny fototry ny hetsika fanongana ny Fanjakana tamin’ny 2009.
Ankehitriny anefa dia tadiavin’ny mpitondra Fanjakana haverina indray ny fanitsakitsahana ny zon’ny mpampahalala vaovao amin’ny nanaovany lalàna hanagadrana mpanao gazety amperin’asa. Ny tena mahagaga dia tsy manao ny asany amin’ny mahasolontenan’ny vahoaka sy ny aro riakan’ny fahefana mpanatanteraka azy ireo intsony ny parlemantera fa lasa mpiara-miasa akaiky amin’ny governemanta. Izay lalàna rehetra naroson’ny fahefana mpanatanteraka teny Tsimbazaza sy Anosikely dia lany tsy nisy tomika avokoa na dia hita izao aza fa tsy ankasitrahan’ny vahoaka maro an’isa ary mety hiteraka savorovoro. Rehefa tena zohina dia ny mpitondra ihany no mamboly korontana eto amin’ny firenena satria toa fanapahan-kevitra avy amin’izy ireo avokoa no mahatonga ny fahasorenana sy ny tabataba etsy sy eroa. Anisan’izany ny fivarotana ny tany ho an’ny vahiny, ny fampiasana ny mpitandro filaminana ho hery famoretana, ny tetika hanagadrana mpanao gazety ary ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ny fahantrana sy ny tsy fandriam-pahalemana.
Ravalo tsy Manana