Mahajanga – Kaomorianina nampiasa euros sandoka
Tsy tahotra tsy henatra intsony ny kaomorianina lahy iray nampaisa vola vahiny sandoka mba hividianana fahafinaretana. Naka mpivaro-tena amin’ilay ambony karazana mantsy izy ary nanampatra ny filan’ny nofony tamin’ireo tovovavin’ny alina. Tsy mba iray fa vehivavy roa be izao no indray nalain’ity afrikanina ity ka rehefa vita ny sitrapony dia nomeny vola vahiny euros. Tsikaritr’ireo makorelina anefa fa hafahafa ilay vola ka nametraka fitoriana izy ireo ary nosamborin’ny manam-pahefana ilay kaomorianina. Ao Mahajanga ao dia tena anisany lasibatr’ireo kaomorianina jiolahim-boto sy olon-dratsy avy any amin’ny taniny any noho ny fibananahan’ny morontsikara. Maro amin’ny olona avy any kaomoro mantsy no mandeha sambo dia tonga ao Mahajanga. Mifangaro amin’ireny ireo mihevi-tena ho fetsifetsy ka mitetika ny hanambaka ny malagasy izay tsy fantany fa efa lasa lavitra noho izy amin’ny resaka fivoarana.
Dom