Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Betafo Antsirabe – Mpihavana saika hifamono noho ny ady tany

Saika ratsy ny raharaha satria mety niafara tamin’ny fifamonoana teo amin’ny samy iray firazanana. Ady tany no niantombohan’ny disadisa ary samy tsy nanaiky ny fizarana izay efa voasoratry ny raiamandrenibe tany aloha saingy tsy mbola voamarina teo anoloan’ny fitsarana. Tany mirefy 88 hektara any Betafo Antsirabe no fototry ny ady ka niditra an-tsehatra mihitsy ny tompon’andraiki-panjakana mba hisorohana ny faty olona. Voalaza fa efa nisy ny fizarana lova an-taratasy nataon’ireo loharano nipoirana saingy tsy mbola voazara ara-panjakana izany teo amin’ireo mpandova. Efa samy nanajary mantsy saingy nisy tsy nanaiky ny anjarany fa nitady hikitika ny an’ny hafa. Rehefa natao ny fifampiresahana teo anatrehan’ny manam-pahefana dia noterena hifanaraka ireo mpiady lova fa samy hampiasa ny tany efa nohajariany aloha mba hisorohana ny disadisa. Nentanin’ireo tompon’andraiki-panjakana hanantona ny fitsarana ihany koa izy ireo mba hizarana ara-panjakana ny tany ka tsy hisian’ny ady saritaka intsony amin’ny manaraka.

Tena mampisara-bazana mihitsy ity resaka ady lova ity satria misy hatrany ireo fetsifetsy sy tia kely ka mitady hikepoka  ny anjaran’ny hafa na dia efa samy nahazo zara mitovy izao aza. Saika manerana an’i Madagasikara mihitsy  indrindra fa ny faritanin’Antananarivo no isian’ny mpihavana lasa mpifandrafy na noho ny resaka tany. Eny Ambohibao Antehiroka eny izao dia ny eo anivon’ny Birao ifoton’ny fananan-tany mihitsy no ahiahian’ny olona ho mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra tany.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre