Antanifotsy – Nahitana taolam-paty miisa 69 tsy fanta-piaviana
Tsy nisy nilaza ho nanana fasana vaky ny iray kaominina. Rehefa natao ihany koa ny fanadihadiana dia tsy nahitana vaky fasana mihitsy teny amin’ny manodidina. Gaga anefa ny vahoakan’Antanifotsy fa nahitana taolam-paty miisa 69 tany an-toerana. Tao anaty kitapo lehibe iray no nisy ireo taolam-balo ireo ary misy karazany betsaka ka ny taolan-tanana sy ny taolan-tongotra no tena maro. Efa nohamarinin’ny dokotera tao amin’ny hopitaly fa tena taolan’olona mihitsy ireo sarona ireo. Ho fanajana ny razana sy amin’ny maha malagasy dia nividy lamba ny kaominina ary nofonosina ireo taolam-balo ka napetraka amin’ny toerana azo antoka mandra-pahitana ny taranany.
Tena mitety faritra mihitsy ireo mpangalatra taolam-paty sy mpamaky fasana satria tamin’ny volana lasa iny dia tany akaikin’Anjozorobe tany no tena nataon’izy ireo nitondra faisana. Avy any Avaradrano izany ireo dia lasa nitodi-doha any amin’ny lalana makany Antsirabe sy ny faritra Atsimo iny. Ny tena mahagaga amin’ity raharaha ity dia ny antony anarian’ireo mpangalatra ny taolam-paty nentin’izy ireo. Heverin’ny maro fa tsy nisy mpandray indray ireny taolana ireny ka tsy hitan’ireo olon-dratsy izay hanaovana azy dia ariany. Misy milaza anefa fa aondrana any ivelany na ihany koa atao akora fototra hanondranana rongony vahiny mahery vaika ny taolam-paty. Tombatombana avokoa izany rehetra izany satria ny mpitandro filaminana mpanao fanadihadiana sy ny fitsarana dia tsy mbola namoaka vaovao feno sy ofisialy mahakasika ny tena anton’ny halatra taolam-paty eto Madagasikara.
Dom