Ambatosoratra – Roalahy matin’ny fitsaram-bahoaka teo imason’ny zandary
Nanamparan’ny olona ny hatezerany ary tsy nanaiky ny vahoaka raha tsy namoy ny ainy ny lehilahy roa nahafaty olona tany Lohafasika Ambatosoratra Ambatondrazaka. Tsy fantatra izay antony niandohan’ny disadisa fa nanafika olona tany an-tranony ireo roalahy ireo. Nodarohan’izy ireo ny tompon-trano ka naratra mafy ary nentina tany amin’ny hiopitaly mihitsy. Nirohotra ny fokonolona vao nahare io herisetra io ary nisambotra avy hatrany ireo nahavanon-doza. Tsy nisy ny fikasihan-tanana fa nentina tany amin’ny biraon’ny kaominina. Niantso zandary avy eo ny ben’ny tanàna mba haka ireo nandratra olona ireo. Tonga tokoa ny zandary saingy tamin’ny fotoana nigadonan’izy ireo indrindra no nandrenesana fa maty ilay olona nodarohan’izy roalahy. Nentin-katezerana ny fokonolona ary nitroatra sy nitondra ireo nahavanon-doza teo antokotanin’ny kaominina. Tratry ny be noho ny vitsy ny zandary ka tsy nahatohitra ny vahoaka ary niantso namana mba hisorohana ny loza mety hitranga. Tsy tana anefa ny fitsaram-bahoaka ka nataon’ny fokonolona tapitr’andro teo imason’ny mpitandro filaminana ireo nahavanon-doza. Efa manao ny famotorana ny zandary any an-toerana mba hijerena ny tena zava-nisy marina sy nahatonga izao faty olona miisa 3 tao anatin’ny fotoana fohy izao.
Dom