Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Malagasy tsy tia vahiny

Lasa tsianjery sy kobaka am-bava sisa ilay fomba fiteny hoe : « malagasy mahay mandray vahiny ». Tena nanana ny lanjany ary tena natao tamim-pitiavana sy tamin-kitsim-po tokoa io fahiny. Ankahitriny kosa efa lasa mifantoka amin’ny fitiavan-tena sy ny varotra ary ny atero ka alao anefa ny foto-pisainan’ny ankamaroan’ny malagasy. Matoa ny vahiny voahajahaja dia olona mety hitondra soa ho an’ny tompon-trano izay matetika. Ny vahiny manam-bola sy manam-pahefana mantsy no atao tsara fandray satria misy ilaina ireny foana any aoriana any. Misy ihany koa ireo mafiady izay mody itsikitsikiana sy raisina tsara satria ireny no hampanaovina ny asam-boto amin’ny karama vary masaka avy eo. Mandainga sy mihatsara ivelan-tsihy izay malagasy milaza fa tena mbola mandray vahiny ankitsim-po. Resa-be fotsiny io sisa fa vola sy tombontsoa no ao ambadik’izany matoa misy ny fandraisana. Tsy am-pitiavana mihitsy, ohatra, ny anaovan’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana ny fikarakarana ny fandraisana ireo vahiny ho avy amin’ny fivoriamben’ny frankofonia fa fikatsahana tombontsoa rano fotsiny. Mikararana mantsy ny vola ampiasaina amin’io ary mahazo tombony be amin’izany avokoa ireo olona akaikin’ny fitondrana izay nomena andraikitra amin’ny fikarakarana. Mandeha avokoa ny kolikoly sy ny fahafantaran’olona satria rehefa tena nojerena akaiky dia ireo avy amin’ny tambajotra mpiara-miasa amin’ny mpitondra avokoa no nomena izay sehatra sy andraikitra, be karama indrindra amin’ny fikarakarana ny frankofonia. Anisan’izany, ohatra, ireo mpikambana amin’ny Hvm, ireo nahzo fiofanana tamin’ny Ceds sy ny Yltp, ary tsy resahana intsony moa ny avy amin’ny Rotary Club international. Ireny olona misitraka ny volaben’ny frankofonia ireny ireo asaina miteny sy manentana amin’ny haino amanjerim-panjakana fa hitondra fampandrosoana goavana ho an’i Madagasikara io fihaonana an-tampony karakaraina eto Antananarivo io. Midika izany fa ny fahaizana mandray vahiny dia efa voavidin’ny fitiavan-tena sy fikatsahana tombontsoa manokana ka raha toa misy vola be horaisina dia tsara karakara ny vahiny.

Mbola sarotra kokoa noho io resaka fitiavan-tena sy toe-tsaina ara-barotra io anefa no asehon’ny malagasy sasany satria tsy malagasy mandray vahiny intsony fa tena lasa malagasy mpankahala vahiny mihitsy. Marobe ary ahiana hihitatra ny fankahalana vahiny amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny afrikanina sy ny karana ary ny frantsay dia lasa tsy tia sinoa ihany koa ny malagasy. Tsy mahagaga io zava-mitranga io satria saropiaro amin’ny tanindrazany ny vahoaka nefa hita fa toa zarazarain’ny mpitondra amin’ny sinoa fotsiny ny tany. Ny tena marina aza dia tsy ny sinoa no halam-bahoaka fa izay mpitondra nanome ny tanindrazana ho trandrahan’ireo vahiny ireo ary ihany koa ireo tekinisianina milaza fa tsy namidy izany ny tany. Nisy tekinisianina iray izay tena tsy tahotra tsy henatra nilaza tamin’ny haino aman-jery fa tsy namidy ny tany fa nampanofaina ny sinoa fotsiny. Mitovy ihany izany rehefa hoe ny vahiny nomena alalana hitrandraka ary ny malagasy tompon’ity firenena ity tsy mahazo mikitika fa handefasana mpitandro filaminana maro raha vao mitady haka kely amin’ny harena ambanin’ny tany. Mitady hanimba ny toe-tsain’ny vahoaka mihitsy ny fiandaniana be fahatany ataon’ny mpitondra amin’ireo vahiny satria rehefa tsy mahazo rariny ny vahoaka madinika dia ny vahiny no lasa halany. Ankoatra ny sinoa dia iaraha-mahita ny fankahalan’ny malagasy ny frantsay noho ilay resaka nosy éparses. Tsy mba miaro ny fitakian’ny vahoaka mihitsy mantsy ny mpitondra ary mody fanina sy toa manao fihetsika miaro ny vahiny aza indraindray ka io no maha tofoka ny olona. Tsy azo lavina anefa ary eken’ny rehetra fa tsy olona ratsy fanahy sy be mpankahala toy ny misy amin’izao fotoana izao ny malagasy saingy kosa diso fanantenana amin’ny zava-misy ka lasa mivoaka ilay hambom-po hiaro ny tanindrazana sy ny fananam-pirenena rehefa tsy hanao ny andraikiny ny mpitondra. Io hambom-po hiaro ny tanindrazana io no mahatonga ny malagasy lasa mankahala vahiny. Raha vahiny tonga hanome asa sy hampandroso ny firenena tsy halam-bahoaka fa ireo mitady hitsetsitra ny harem-pirenena fotsiny no tsy ekeny.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre