Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Beronono Mahabo – Maty notifirin’ny dahalo ny zanaky ny tompon’omby

Dahalo miisa 04 mirongo basim-borona 03 nanafika tao amin’ny fokontany Fenoarivo, kaominina  Beronono, distrikan’i Mahabo, ny  17 jolay tamin’ny 12 ora tolakandro. Lasa tamin’izany ny ombin-tsarety miisa 4. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona ka nisy ny fifandonana tamin’ireo malaso. Vokany,  voatifitra ny zanaky ny tompon’omby ary maty teny an-dalana hitondrana azy tany amin’ny hopitaly. Nandritra izany, nisy nahita sy nahafantatra ny iray tamin’ireo dahalo izay antsoina hoe Tsiampilaoky monina ao Ambatraky, fokontany sady kaominina Beronono. Naheno vaovao ny zandary avy ao amin’ny borigady Mandabe fa misy dahalo miisa 6 miambina an’i Tsiampilaoky ao an-tranony. Nidina teny an-toerana izy ireo hisambotra azy ka avy dia nandositra avokoa ireo olon-dratsy niambina azy.  Nahitana omby miisa 06 teo ivelan’ilay trano rehefa natao ny fisavana. Voamarina fa azy ny 02 fa ny 04 kosa halatra ka ny iray efa lasan’ny tompony fa ny 03 sisa mbola miandry. Nahitana karapanondrom-pirenena amin’ny anaran’i Igea tao an-trano, dahalo izay tena ikoizana ihany koa. Mbola mitohy ny famotorana ataon’ny Zandary .

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre