Fahalemana – Manao hetsika ara-pivavahana ny polisy
Ao anatin’ny asa fampandriana ny fahalemana dia tsy ny fanenjehana mpangalatra sy fitifirana basy ary fisamborana ihany no asan’ny polisy fa misy ihany koa ny fanabeazana. Ny sampana vondrom-bavaka eo anivon’ny polisim-pirenena dia manao hetsika fitetezam-paritra hampaherezana ara-panahy ny samy polisy sy ny sivily ihany koa. Tany Ambatolampy izy ireo ny sabotsy lasa teo ary nanatanteraka fanompoam-pivavahana lehibe. Ankoatra ny fiderana an’Andriamanitra dia nisy ny fanentanana ny polisy mba ho mendrika amin’ny asany, sy ho maodely amin’ny fiarahamonina ary tsy hanaiky ny fisian’ny tsy maty manota fa ho marina hatrany manoloana ny zava-misy rehetra. Efa nandalo tany Faratsiho, Antsirabe, Betafo ity vondrom-bavaka ity ary hitsidika an’i Bongolava indray amin’ny herinandro ho avy io. Porofoin’ireto polisy ireto fa tsy ny fampiasan-kery ihany no vahaolana entina hampandry fahalemana ny tany fa zava-dehibe ihany koa ny fanabeazana ara-panahy izay hahafahana misoroka ny fahotana sy ny heloka bevava.
Dom