Fandriana – Mpianatra miisa arivo hanao ny fanatanjahan-tena an-tsekoly
Hanomboka anio ary haharitra hatramin’ny alarobia izao ny fanatanjahantena an-tsekoly ho an’ireo fari-piadidiam-pampianarana miisa 4 ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Mpianatra maherin’ny 1000 no handray anjara amin’izany ka ny taranja atletisma sy baolina kitra ary basikety no hifantohan’ny fifaninanana. Ankoatra ny lalao ara-panatanjahan-tena dia hifampitaha sy hifampidera ny kolontsaina betsileo ihany koa ireo ankizy avy amin’ny distrika ao amin’ity faritra ity. Anisan’ny tanjona lehibe amin’izao hetsika izao ny fifantenana izay ho solontenan’Amoron’i Mania amin’ny fifaninanam-pirenena izay hatao any Taolagnaro amin’ny tapatapaky ny volana aogositra ho avy io.
Tafiditra tanteraka amin’ny fanabeazana sy fitaizana ny tanora amin’izao vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra izao ny ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena an-tsekoly. Sady fitaizam-batana sy fanahy izy io no mampisokatra ny saina ary mampiray ny ankizy avy amin’ny lafy valon’ny Nosy ihany koa. Matetika dia maro amin’ireo zaza sy tanora mivoaka sy misongadina amin’ny fifaninanana toy itony no lasa mpanao fanatanjahantena malaza sy reharehan’ny firenena any aoriana any. Taninketsan’ny hoavin’ny fanatanjahan-tena mihitsy ny fifaninanana toy izao ary lasa lavitra ireo mpandresy rehefa tsara tohana.
Dom