Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Manjaka ny asan-devoly !

Asan-devoly ! Io no anasokajian’ny mpandala ny finoana ny zava-misy eto Madagasikara. Tena tsy azo lavina ary tsy iadian-kevitra ny fahamarinany  satria tena efa manampatra ny habibiany amin’ny lafiny rehetra ny ratsy ary efa sahy manafika hatramin’ny tranon’Andriamanitra mihitsy. Ny fiangonana indray mantsy tato ho ato no lasibatr’ireo jiolahy. Tsy misy fanavahana fa rehefa trano fiangonana be lakolosy dia tongavan-dry zalahy avokoa mba horobaina. Farany teo aza dia ny tranon’ny masera mihitsy no sahin’ireo tsy valahara notafihina. Tena manjaka eto Madagasikara ny herin’ny maizina ary tsy resaka finoanoam-poana izany fa hita porofo mazava amin’ny zava-misy. Mirongatra be ihany koa ny vaky fasana sy ny halatra taolam-balo, ankoatra ny fandrobana fiangonana. Fadin-drazan’ny gasy ary fanimbazimbana ny razambe izany nefa tena misy manao ary tsy voamarina fa honohono. Mitovy avokoa ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana dia ny hoe lafo vidy ny taolam-paty sy ny lakolosy ka izay no mandrisika ireo tsy mataho-tody ho sahy hanimbazimba Andriamanitra sy ny razana. Izany hoe efa jamban’ny fitiavam-bola ny olona sasany ka dia mamono eritreritra sy mivarotra ny fanahiny amin’ny devoly mba hanangonan-karena.

Tsy ireo ihany anefa no fisehon’ny asan-devoly eto amintsika fa lafiny maro. Anisan’ireny ny vono olona sy habibiana mitranga saika ho isan’andro vaky izao. Manao ny ataony ny jiolahy ary tsy voasahan’ny mpitandro filaminana intsony ny hiaro ny vahoaka rehetra satria be loatra ny heloka bevava mitranga eto amin’ny firenena. Tsy ny olon-dratsy ihany anefa no mamono olona fa na dia ny mpianakavy sy ny mpiara-monina aza samy manao izany avokoa. Maro ny tranga re fa rangahy ihany no namono nahafaty ny vadiny ; ny zanany ihany no nanapitra ny andron-drainy ary ny samy mpinamana ihany no nifamono. Mitovy amin’izany ihany koa ireo mpitondra fiara mahafaty olona noho ny hadisoana. Mbola manao fanahy iniana mamo am-pamiliana sy mitrifatrifana ihany nefa fantatra izao fa ain’olona maro no entina ao anaty fiara ka avy eo mahafaty olona rehefa mitranaga ny loza. Ny sasany indray dia sahy ankitsirano mandona olona eny amin’ny fifamoivoizana noho ny hambom-po tsy handefitra mihitsy satria ny fiara sy môtô no tompon’ny arabe fa tsy ny mpandeha an-tongotra. Santionany ireo fa raha ny zavatra hita dia lasa lian-drà ny malagasy. Rehefa misy lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona, indrindra mpitaingina môtô nitrifatrifana aparitak’ireo dedaka amin’ny facebook dia ireo faly sy mibitaka no betsaka noho ny mitsetra. Mandeha avokoa ny « tsara izay » sy ny « aleo ho faty any » nefa tsy mba toetran’ny malagasy izany faly amin’ny fahorian’ny sasany izany.

Mbola heloka bevava ihany koa ary mahafaty olona betsaka ny kolikoly sy fanodikodinam-bolam-panjakana ataon’ireo mpiasam-panjakana izay tsy mba azo kitikitihana mihitsy. Fototry ny fahantrana amin’izao fotoana izao ny fitiavantenan’ny mpiasam-panjakana nefa tsy fantatr’izy ireo fa olona am-polony isan’andro no mamoy ny ainy noho izany. Eny amin’ny hopitaly, ohatra, dia misy mihitsy ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana no tsy te hahalala izay marary tsy mahatolotolotra. Ny resaka fandidiana no tena isehoan’izany satria na dia resahina lava aza fa maimaimpoana ny asan’ny dokotera dia misy ireo tsy mety mandidy raha tsy omena vola be izay tsy ampahafantarina ny fitantanana ao amin’ny hopitaly. Tsy ny sehatry ny fahasalamana ihany no misy io kolikoly mamono vahoaka io fa saika ny sampan-draharaham-panjakana rehetra mihitsy ary manaporofo izany ny tatitra isan-taona fanaon’ny Bianco. Tsy ny filoham-pirenena sy ny governemanta no manao ireny kolikoly mivantana ireny fa ireo mpiasam-panjakana amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra mihitsy. Ny vola rehetra azo amin’ny hetra naloa’ny vahoaka anefa lany anakaramana ireo mpiasam-bahoaka dia mbola sahin’ny sasany amin’izy ireo ihany ny mitsentsitra sy manambaka ny madinika izay mikarakara raharaha eo anivon’ny sampan-draharaham-panjakana. Asan-devoly avokoa izany rehetra izany ka mila tonga saina ny malagasy fa tsy ny fahantrana ihany no mandripaka fa ny toe-tsaina mihitsy no lasa lomorina !

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre