Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Midongy Atsimo – Dahalo 2 lavon’ny zandary

Tsy nahaleo ny mpitandro filaminana ireo dahalo rehefa nifampitana naharitra ka lavon’ny bala ny 2 ary tafaporitsaka nanavotr’aina ny iray. Tany Morondava Midongy Atsimo no nisehoan’io fifampitifirana teo amin’ny malaso sy ny zandary nampian’ny kaolaony io. Fantatra fa tonga tany an-toerana ny dahalo telolahy ary nitady bala hovidiana hoentina hanaovana fanafihana mahery vaika. Nisy nampandre anefa ny mpitandro filaminana ka nandefa zandary enin-dahy nampian’ny kaolaony vitsivitsy. Vao nahatazana izany ireo dahalo tonga dia nanafika tamin’ny tifitra variraraka. Tsy nahavoa anefa ka namaly bontana ny mpitandro filaminana ary izao niafara tamin’ny fahalavoan’ireo jiolahy izao. Tavela teo ihany koa ny kitapon’ireo malaso ka nahitana fanamiana fitondran’ny miaramila sy balamaromaro ary basy iray rehefa nosavaina. Mitohy ny fanadihadiana noho izany mba hahafantarana ny toerana niavian’ireo dahalo ireo sy ny tetika kotrehan’izy ireo tamin’izao fanangonana bala izao.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre