Toamasina – Toaka gasy milanja 2 250 litatra saika haondrana any Mananara Avaratra
Saron’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny toaka gasy milanja 2 250 litatra, ny marainan’ny alatsinainy 25 jolay 2016. Saika haondrana ho any Mananara avaratra ireo zava-mahadomelina ireo ary ny lakana M/S Ines no fitaovam-pitaterana. Rakotobara Florence, mipetraka ao Tanambao V, vakim-paritra 13/82 no tompon’ireo entana tsy ara-dalàna ireo. Mateti-piseho eto amin’ny tany sy ny firenena ny fisian’ny trangan-javatra amin’ny fivarotana zava-mahadomelina ataon’ny sasany toy izao mba ho fitadiavam-bola. Samy manana ny kalitaony angamba ny tsiron’ireny rongony, na toaka gasy aparitaka etsy sy eroa ireny. Mahagaga mantsy fa ny toerana fiavian’izy ireny indray no andefasan’ny hafa azy ireny.
ZOUZOUH Toamasina

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny