Toamasina – Nahazo fitaovana ny mpanjono
Ho fampitomboana araka izay tratra ireo tombontsoa ateraky ny asan’ny Orinasa eo anivon’ireo fiarahamonina manodidina, dia nanolotra fitaovana sy kojakoja isan-karazany ilaina amin’ny fanjonoana ho an’ireo fikambanan’ny mpanjono ao Toamasina, ny orinasa Ambatovy, ny harivan’ny alarobia 27 jolay 2016. Ho fanatsarana ny fampidiram-bolan’izy ireo dia salotraina (gilet de sauvetage) miisa 80, miampy harato 160 sy ireo kojakoja miaraka amin’izany ary vata fampangatsiahana 16, mitentina 10,5 tapitrisa Ariary eo ho eo no nomena ny fikambanana dimy (5) ahitana mpanjono 120 ao amin’ny fokontany Ambodisaina Ivondro sy Analakininina. Miezaka ny mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ifotony ho an’ireo vondro-piarahamonina mandray azy ity orinasa ity, amin’ny maha mpikambana feno azy ireo eo amin’ny fiarahamonina iasany. Tafiditra anatin’ny ezaka fanohanana ireo sehatra samihafa eo amin’ny lafiny sosialy, ao amin’ireo faritra, izay anaovan’ny orinasa ny fitrandrahana ny nikela sy kaobalta ihany koa izany fanomezana izany. Fisaorana sy fankasitrahana feno no nataon’ny solontenan’ireo mpanjono nentim-paharazana ny orinasa Ambatovy. “Mino izahay fa hitondra fahasoavana ho anay izao fanomezana izao”, hoy hatrany ireto mpanjono. Fankasitrahana lehibe ihany koa no nataon’ny lefitry ny ben’ny tanàna satria ahafahan’ny mponina manao velontena izao fanampiana nomena ireo mpanjono nentim-paharazana izao.
ZOUZOUH Toamasina