Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Voaheloka hahavita ny mpitondra !

Tsy misy fialan-tsiny azo ekena intsony raha toa ka tsy mbola mandroso i Madagasikara. Volazan’ny mpitondra ombieny ombieny mantsy fa efa feno ny fepetra rehetra hanatanterahana ny asa fampandrosoana. Natao fototra hanamafisana izany ny faneken’ny tahirim-bola iraisam-pirenena (Fmi) hamoaka vola hampindramina an’i Madagasikara mba hanatanterahana asa fampandrosoana. Ambonin’ireo dia lazain’ny mpitondra ihany koa fa varavarana misokatra ho an’ny famatsiam-bola hafa io fankatoavan’ny Fmi io. Maro amin’ireo mpitondra ambony no efa niteny mihitsy fa misokatra avokoa amin’izao fotoana izao ny loharanon’ny famatsiam-bola rehetra. Noho izany, mametraka fanontaniana ny vahoaka hoe : Inona indray no mbola handrasana fa tsy tonga dia alefa ilay asa fampandrosoana nampanantenaina? Ny tena zava-misy mantsy dia toa mifanipaka toy ny atsimo sy avaratra ny lazain’ny mpitondra sy ny fiainan’ny mponina. Arakaraka ny hahenoana fa nivoaka ny famatsiam-bola tatsy sy taroa, hatomboka ny fanamboarana izao sy izao, …no toa vao mainka mampiakatra ny vidim-piainana sy manahirana ny isan-tokantrano. Milaza izao ny mpitondra fa hamboarina ny lalam-be mikodana hampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Tena tetikasa tsara izany ary efa nandrandrain’ny maro hatramin’ny ela nefa kosa sahiran-tsaina ihany ny vahoaka malagasy hoe :  Inona no laharam-pahamehana, ny fandrafetana ny tetikasa hahafahana manomboka ny fanamboarana lalana izany ve sa ny fampidinana ny vidin’entana ilaina andavanandr?. Na ny atody aza mantsy izao efa tena tsy takatry ny kely vola, araka ny hiran’ny mpanakanto Sareraka satria efa mananika ny Ariary 500 ny vidin’ny iray. Ny vary ihany koa dia efa amidy Ariary 1600 ny kilao. Santionany ireo fa efa tena tsy zakan’ny vahoaka ny vidim-piainana nefa tsy asian’ny fitondram-panjakana resaka mihitsy.

Izany rehetra izany no mahatonga ny fimenomenomana sy fitarainana etsy sy eroa. Tsy afaka ny hanilika andraikitra intsony ny mpitondra satria izy ireo avokoa no mahatonga ny zava-misy lazainy fa fanakorontanana eto amin’ny firenena izao. Ankoatra ny famatsiam-bola mantsy dia hazavain’ireo manam-pahefana fa fepetra iray tsy azo ihodivirana ny fahamarinan-toerana ara-politika sy ara-tsosialy ary ara-toekarena. Ny vy tsy mikintrana irery ka matoa tsy tomombana izany rehetra izany dia misy antony avy amin’ny fitondram-panjakana ao. Tsy misy mihitsy ny fahamarinan-toerana sy ny filaminana eny anivon’ny fiarahamonina raha mbola tebiteby lava no iainan’ny vahoaka. Na vola atao sakafo isan’andro aza dia efa mampiferinaina ny mponina ny fomba hahitana azy. Izay nohanina omaly mbola hotadiavina rahampitso hoy ny vazivazy zary tenan’ny vahoaka madinika. Tena marina io satria efa maro amin’ny malagasy no mivelona amin’ny sakafo trosa sy vola nindramina izay tsy mbola fantatra akory ny fomba hamerenana azy. Tsy mahagaga  raha toa ka anisan’ny maro indrindra amin’ny fitoriana voarain’ny mpitandro filaminana ny resaka fisolokiana. Manao izay hahazoana vola na zavatr’olona fotsiny ny ankamaroan’ny malagasy nefa tsy fantatra akory izay hanoloana na hamerenana izany. Aleo maty rahampitso toy izay maty anio hoy ny fitenenana. Tsy hisy ihany koa ny fahamarinan-toerana ara-toekarena raha mbola tsy an’asa ny ankamaroan’ny malagasy. Manana fidiram-bola ihany ny olona saingy tsy mifanaraka amin’ny filan’ny tokantrano ny vola miditra ka lasa vesatra ho an’ny fiarahamonina indray avy eo. Tsy hisy ihany koa ny fahamarinan-toerana ara-politika raha mbola maka fanapahan-kevitra mifanohitra amin’ny hetahetan’ny maro ny Fanjakana ary mametraka ny didy jadona sy ny mpitandro filaminana ho hery famoretana. Ireo rehetra ireo dia milaza fa avy amin’ny mpitondra ihany no antony mahatonga ny tsy fahamarinan-toerana ho azy ireo ka tsy misy olon-kafa azony hanilihana itsony io. Voaheloka hampandroso ny mpitondra fa raha tsy izany dia hisy fotoana ny fitakiana etsy sy eroa !

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre