Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Marovoay – Matin’ny zandary ny dahalo fa tsy nandaitra ny mohara

Nanantena ny herin’ny ody ka nianakendry nanohitra mpitandro filaminana ny dahalo miisa 4 tany Bemarivo Marovoay. Nitifitra avy hatrany ireo malaso raha vao nahita ireo zandary mpanara-dia ka raikitra teo ny fifandonana. Sendra ny mpitandro filaminana tsara hofana anefa ka lavo voatifitra tao anatin’ny fotoana fohy ny dahalo roalahy. Vao nahita izany ireo namany roa hafa dia vaky nandositra ary tafaporitsaka tany anaty alaala ka tsy hita izay niafenany. Rehefa nosavaina kosa ny fatin’ireo dahalo voatifitra dia nahitana mohara sy basy vita gasy ary vola 50 ariary maromaro. Misy ifandraisany akaiky amin’ny resaka ody basy ny mohara sy ny vola 50 Ariary, araka ny fanazavan’ny mponina any amin’ny toerana anjakan’ny asan-dahalo. Noporofoin’ireo zandary anefa fa tsy mandaitra izany ny ody basy manoloana ny bala tena izy. Voalaza fa nanafika tao amin’ny tanàna antsoina hoe Andakalaka ireo dahalo ireo ary nangalatra omby miisa 14. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny mpitandro filaminana ka izao niafara tamin’ny fifandonana izao ny raharaha. Efa fantatra kosa ny mombamomba ireo dahalo voatifitra ireo ary heverina fa hisy fiantraikany amin’ny fizotry ny famotorana izany.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre