Maivana kely ny mpanohitra
Betsaka ihany izay endrika fanoherana nitranga tamin’ity fitondran’ny Hvm ity izay fa tsy nisy lasa lavitra dia nitsefotra. Bevava sy tsy lany hevita ary mahay manao fihetsiketsehana am-boalohany fotsiny ny mpanohitra fa tsy ampy ravàn’ny mpitondra fanjakana akory ny tetika rehetra entina hanozongozonana azy ireo. Tsy mahagaga raha manampin-tsofina sy minia mikipy tsy te hahalala izay fitakiana sy fitarainana etsy sy eroa ny mpitondra. Mahatsiaro tena ho matanjaka izy ireo satria sady manam-bola no manana ny mpitandro filaminana afaka hifampitana amin’izay rehetra iharan’ny tsindry hazo lena sy ny tsy rariny ka mitetika ny hanao fihetsiketsehana.
Manana ny rariny sy ny hitsiny mihitsy anefa ireo tondroina ho mpanohitra rehefa henoina ny tsikera ataony. Anisan’izany ny fitanisana ny fahantrana, ny tsy fandriam-pahalemana, ny fiakaran’ny vidim-piainana ary ny tsy fahatanterahan’ireo fampanantenan’ny mpitondra fanjakana. Karazan’ny marina mitavozavoza ihany izany rehetra izany ary sendra ny atody miady amam-bato ka tsy mahovoka mihitsy fa eny ambony latabatra sisa mitabataba. Avy eo indray anefa sokajian’ny mpitondra ho mpanakorontana sy mpamingana ny asa fampandrosoana efa natomboka. Tena mahay mamily resaka mihitsy ny manam-pahefana ankehiriny satria ny mpanohitra indray no soketain’izy ireo ho vato misakana tsy hahafahana manatanteraka ny asa fampandrosoana eto Madagasikara. Anisan’izany ny filazana fa tsy handroso mihitsy ny firenena raha tsy misy ny fahamarinan-toerana ara-politika sy ara-tsosialy nefa ny mpanohitra no rangory fototry ny fingampingana sy ny fanakorontanana etsy sy eroa. Manaporofo mazava izany ny filazan’ny filoham-pirenena taorian’ilay asa fampihorohoroana teny Mahamasina tamin’ny takarivan’ny 26 jona fa hevitra tsy mitovy no hamonona ny vahoaka tsy manan-tsiny.
Maivana loatra ny mpanohitra eto Madagasikara satria sady tsy manana lazon’ady no tsy mahay miray hina. Ny tena loza aza dia ataon’ny sendika sy ny fiarahamonina sivily tohatra fiakarana fotsiny. Maro amin’ireo sendikan’ny mpiasam-panjakana no midodododo mitaky ny fanohanan’ireo mpanao politika rehefa misy fitakiana ataony. Rehefa milamindamina anefa ny tombontsoa manokan’ireny mpiasa ireny dia itodihany lamosina ny mpanohitra. Mbola kileman’ny fanoherana eto ihany koa ny tsy fahamatorana amin’ny fitakiana satria toa lasa fihantsiana am-bava fotsiny ny hetsika rehetra fa tsy misy mihitsy fanatanterahana azy. Hatramin’ny taona 2014 no efa maro ireo niteny fa hitarika vahoaka an-dalam-be nefa rehefa tena tonga ny fotoana nifanomezana dia lasa nifampiraharaha tamin’ny mpitandro filaminana indray ary nitsaitsaika namonjy fodiana. Ankehitriny aza moa dia maro amin’ireo mpanohitra no manomboka mitady fifampiraharahana amin’ny mpitondra amin’ny alalan’ny fangatahana fihaonana an-databatra boribory handinihana ny vahaolana hoentina hamahana izao fahantrana lalina mianjady amin’ny firenena izao. Mazava ho azy fa tsy hanaiky mora foana ny hanao izany ny mpitondra satria tsy hitondra tombontsoa ho azy ireo izany. Ny mpanohitra rahateo maivana sy tsy miray hina ka fantatr’ireo manam-pahefana fa tsy manana hery hanerena ny mpitondra hidinika manodidina ny latabatra.
Dia toy izany foana ny zava-misy amin’ny fanoherana eto Madagasikara ary tsy mahagaga raha tsy mahasarika vahoaka satria heverin’ny maro fa mpikarama an’ady politika no betsaka ka mitaky vola any ambadika any dia mody manao fihetsiketsehana ary rehefa lany ny vola noraisina dia mangina tanteraka mandritra ny volana vitsivitsy. Tsy handroso izany anefa ity firenena ity raha tsy misy mpanohitra matanjaka sy miray hina ary afaka ny hanery ny mpitondra Fanjakana hihaino ny fitarainana sy ny hetahetam-bahoaka. Izany ihany no lalana tokana hahafahana mampanjaka ny demokrasia sy fampandraisana anjara ny rehetra amin’ny asa fampandrosoana. Milaza matetika mantsy ny mpitondra fa miantso ny fifanomezan-tanan’ny rehetra hampandrosoana miaraka ny firenena. Efa fanomezan-tanana ny fitakiana fanatsarana ny fari-piainana sy ny fitanisana ireo lesoka rehetar mila arenina. Mila miray feo anefa ny rehetra rehefa hitaky izany satria lavitra loatra ny hatsana manelanelana ny vahoaka sy ny mpitondra ka tsy henon’ireo farany ny antso raha vao maivamaivana.
Ravalo tsy Manana