Sainte Marie – Zaza iray matin’ny hazandrano
Vao 4 taona monja ilay ankizikely namoy ny ainy noho ny fanomezana azy hazan-drano izay voalaza fa misy poizina. Olona 7 izy ireo no mpianakavy ka karazam-biby antsoina hoe voalavon-drano no nandrahoin’ireo olon-dehibe natao laoka. Tsy nahazaka izany ilay zazakely ka maty avy hatrany. Nisy olona roa ihany koa tao amin’ny fianakaviana voatery naiditra hopitaly faran’izay haingana mba hanavotana ny ain’izy ireo. Zaza 11 taona sy olon-dehibe 60 taona ireo voavonjy soa aman-tsara ireo. Araka ny fantatra dia tsy trondro io voalavon-drano io fa tena karazam-boalavo mihitsy saingy fahita any anaty ranomasina. Tsy fantatra mazava na efa mpihinana io biby io ilay fianakaviana na sambany mba nanandrana izao nidiran-doza izao. Ny fantatra kosa dia tsy mihinankinana biby tsy fantatra izany ny ankamaroan’ny olona manamorona ny ranomasina ary efa mahay manavaka tsara ny fihinana sy ny tsy fihinana. Tsy sambany anefa fa efa matetika no nahenoana olona matin’ny hazan-dranomasina toy izao amin’ny faritra maro manerana ny morontsirak’i Madagasikara. Misy ihany ny fandraisana fepetra ataon’ny tompon’andraikitra saingy rehefa milamindamina ny raharaha dia hadinodino ireo toromarika rehetra ka miteraka loza hatrany.
Dom