Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Maevatanana – Vehivavy 3 voaroba volamena 20 tapitrisa sy vovony 7 grama

Telolahy nirongo kibay no nanakan-dalana vehivavy 4 hamonjy tsena any Antanimbary Maevatanàna ka nandroba azy ireo. Ankevitry ny efa fantatr’ireo jiolahy mihitsy fa mitondra harem-be ireo andriambavilanitra notafihiny ireo. Vola mitentina 1 hetsy sy 20 tapitrisa Ariary miampy vovom-bolamena 7 grama ary firavaka volamena toy ny kavina, peratra ary rojo fanao eny amin’ny tanana no lasan’izy ireo tamin’izany. Raha izao tranga izao dia karazan’ireny mpibizina volamena ireny izy 4 mirahavavy ka nitetika ny hampitombo vola tao amin’ny tsenan’Antanimbary nefa izao nifanehitra tamin’ny olon-dratsy izao. Raha ny fanazavan’izy ireo dia nirifatra nianatsimo ireo mpandroba, izany hoe nihazo an’ankazobe iny rehefa nahazo izay nilainy. Efa nanao ny fanarahan-dia sy ny famotorana rehetra ny zandary saingy mbola tsy nisy ny tatitra mahakasika ny vokatr’izany. Ny hany fantatra dia ny firongatry ny asan-jiolahy any Maevatanàna noho ny bizina volamena antsokosoko izay tena mahazo laka. Mifanaraka any ambadika any ny mpivarotra sy ny mpividy volamena ka izy ireo ihany avy eo no mifandefa jiolahy handroba hoy ny tompon’andraikitra iray any an-toerana.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre