Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Anjozorobe – Lehilahy mamo, maty latsaka tamin’ny tetezana

Maty tsy tra-drano ny lehilahy lehibe efa 68 taona rehefa nilatsaka tao ambany tetezana any Ampasika Mangamila. Nandeha kamiao izy tamin’io fotoana io ary nisy olana ara-tekinika ilay fiarabe ka najanon’ny mpamily teo ambony tetezana mba hijerena ny zava-misy sy hanamboarana izany. Tsy nijanona tao anaty kamiao anefa ilay mpandeha izay efa mamo fa nivoaka ihany koa ka tonga dia nilatsaka tao ambany tetezana. Ratsy fianjerana izy satria ny lohany no nandeha aloha ary ny fihirifany mihitsy no notsenain’ny vato. Mafy ny fianjerana ka namoy ny ainy teo noho eo ilay rangahy. Efa manao ny famotorana ny zandary avy ao Mangamila mba hanaporofoana marina raha tena nianjera noho ny loza tsy nampoizina tokoa ilay rangahy na sanatria niniana natsipy na natosika mba ho faty tao ambany tetezana tao. Mahagaga ihany mantsy ary tena voararan’ny lalàna tanteraka izany hoe manajanona fiara ao anaty tetezana izany, na inona na inona antony. Ny valin’ny fanadihadiana no hamantarana izay tena zava-nitranga marina amin’ity raharaha nahafaty olona ity.

 

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre